Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 10:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Koa tsy nankatò ny fitakian’ny vahoaka ny mpanjaka; fa ny TOMPO no nahatonga izany zavatra izany hahatanteraka ny fampanantenana izay nampilazainy an’i Ahià avy any Silao tamin’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka, fa fitondrana avy tamin’Andriamanitra izany zavatra izany, mba hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an’i Ahia silonita tamin’i Jeroboama, zanak’i Nebata.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Koa tsy nankatò ny fitakian’ny vahoaka ny mpanjaka; fa ny TOMPO no nahatonga izany zavatra izany hahatanteraka ny fampanantenana izay nampilazainy an’i Ahià avy any Silao tamin’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Dia tsy nihaino ny vahoaka ny mpanjaka, satria izany no hevitra nataon’Andriamanitra hahatanteraka ilay teny nolazain’i Iaveh tamin’ny alalan’i Ahiasa avy any Silô tamin’i Jerôbôama zanak’i Nabata.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ka dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka, fa avy tamin’Andriamanitra izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an’i Ahia Silonita tamin’i Jeroboama, zanak’i Nebata.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ka dia tsy nihaino ny olona ny mpanjaka, fa avy tamin'Andriamanitra izany zavatra izany hahatanteraka ny teniny izay nampilazainy an'i Ahia Silonita tamin'i Jeroboama,zanak'i Nebata.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 10:15
20 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Absalôma sy ny lehilahy israelita rehetra hoe: –Tsara noho ny torohevitr’i Ahitôfela ny an’i Hosay, ilay Arkita! Efa nataon’ny TOMPO manko izay tsy hampahomby ny torohevitr’i Ahitôfela, na dia tsara aza, mba hampidirany loza amin’i Absalôma.


Koa tsy nankatò ny fitakian’ny vahoaka ny mpanjaka; fa ny TOMPO no nahatonga izany zavatra izany mba hahatanteraka ny fampanantenana izay nampilazainy an’i Ahià mpaminany avy any Silao tamin’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata.


fa izao no lazain’ny TOMPO: «Aza mandeha hiady amin’ny Israelita tavaratra mpiray firenena aminareo; samia mody any an-tranony avy ianareo, satria Izaho no nahatonga izao zavatra izao.» Dia nankatoavin’ny olona izany tenin’ny TOMPO izany, ka samy lasa nody tokoa izy araka ny tenin’ny TOMPO.


Ka hoy ny TOMPO nanontany hoe: «Iza no hitaona an’i Ahaba handeha hanafika an’i Ramôta-Gilehada mba hahafaty azy any?» Ary samy nanana ny fomba famaliny avy ny tsirairay.


ary araka ny torohevitr’ireo tovolahy no nitenenany taminy hoe: –Nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, fa izaho kosa vao mainka hanampy trotraka an’izany; karavasy tsotra no namaizan-draiko anareo, fa karavasy misy faraingo kosa no hamaizako anareo.


fa izao no lazain’ny TOMPO: «Aza mandeha hiady amin’ny mpiray firenena aminareo; samia mody any an-tranony avy ianareo, satria Izaho no nahatonga izao zavatra izao.» Dia nankatoavin’ny olona izany tenin’ny TOMPO izany, ka samy lasa nody izy fa tsy nandeha hamely an’i Jerôbohama.


Avy tamin’Andriamanitra ny loza nanjo an’i Ahazià tamin’ny nankanesany hamangy an’i Jôrama; nony tonga manko izy, dia niara-niainga tamin’i Jôrama mba hitsena an’i Jehò, zanakalahin’i Nimsỳ sady nohosoran’ny TOMPO ho mpanjaka mba handringana ny taranak’i Ahaba.


Ny sisa amin’ny tantaran’i Salômôna, na tamboalohany na tafara, dia voasoratra ao amin’ireo boky milohateny hoe Asan’i Natàna mpaminany sy Faminanian’i Ahià avy any Silao ary Fahitàn’i Hidao. –Ity boky farany ity dia mitantara ny amin’i Jerôbohama, zanakalahin’i Nebata–.


Fa nandatsahan’ny TOMPO fanahy mampivembena izy, ka dia nampivembena an’i Ejipta hatrany eo amin’ny asa rehetra ataon’io firenena io, izay tahaka ny mamo mivembena sady mandoa.


dia nifampiresaka ireo hoe: –Aza triarina fa aoka hilokantsika, dia ho lasan’izay hahazo ny loka. Izany dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina manao hoe: «Nifampizaran’ireo ny fitafiako ary nilokany ny akanjoko.» Dia izany no nataon’ny miaramila.


Natolotra izany Lehilahy izany araka ny voatendrin’ny fikasan’Andriamanitra sy araka ny fandaharany hatrizay rahateo; ka ny namonoanareo Azy dia nohomboanareo tamin’ny hazofijaliana tamin’ny alalan’ny ratsy fanahy;


Notanterahin’izy ireo izay efa notendrenao rahateo tamin’ny herinao sy ny fikasanao.


Tsy nety namela antsika hamaky ny taniny anefa i Sihôna mpanjaka tao Hesbôna; fa ilay TOMPO Andriamanitrareo efa nahatonga azy hidrikina sy ho mafy fo mba hanolorany azy eo an-tananareo, tamin’izany andro izany.


Tsy fantatry ny ray aman-dreniny fa ny TOMPO mihitsy no namelona izany faniriana izany tao amin’i Samsôna mba hahazoany miady amin’ny Filistinina, satria tamin’izany fotoana izany dia ny Filistinina no nanjaka tamin’ny Israelita.


Raha diso amin’ny olona toa azy ny olona iray, dia Andriamanitra no hitsara ny adiny; fa raha diso amin’ny TOMPO kosa ny olona iray, dia mba iza àry no hitsara? Tsy noraharahain’izy ireo anefa izany tenin-drainy izany, satria efa sitraky ny TOMPO rahateo ny hahafaty azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra