Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Samoela 3:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Naniraka olona amin’ny anarany nankany amin’i Davida i Abinera hanontany azy izay tompon’ny tany ka nanao hoe: «Manaova fanekena amiko fa hanampy anao aho hahatonga an’i Israely manontolo hiara-dia aminao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Naniraka olona tany amin’i Davida niaraka tamin’izay i Abnera mba hisolo vava azy hiteny hoe: An’iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko dia indro homba anao ny tanako ka hampanaiky ny Israely rehetra anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Naniraka olona amin’ny anarany nankany amin’i Davida i Abinera hanontany azy izay tompon’ny tany ka nanao hoe: «Manaova fanekena amiko fa hanampy anao aho hahatonga an’i Israely manontolo hiara-dia aminao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Dia nandefa iraka nankany amin’i Davida i Abnera hilaza aminy, amin’ny anarany, hoe: «An’iza ny tany? Manaova fanekena amiko, dia homba anao ny tanako hampihodina an’i Israely rehetra hankaminao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary Abnera dia naniraka olona tany amin’i Davida niaraka tamin’izay hanao hoe: An’iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tànako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary Abnera dia naniraka olona tany amin'i Davida niaraka tamin'izay hanao hoe: An'iza ny tany? Ary koa hoe: Manaova fanekena amiko, ary, indro, ny tanako homba anao hampanaiky ny Isiraely rehetra anao.

Jereo ny toko dika mitovy




2Samoela 3:12
15 Rohy Ifampitohizana  

Izao kosa no hafatro holazainareo amin’i Hamasà: ‹Moa tsy havako sy tapako va ianao? Hataon’Andriamanitra amiko anie ny sazy faran’izay henjana, raha tsy ianao no tonga filohan’ny tafiko ho solon’i Jôaba!› »


Nandroso nankany Gilgala kosa ny mpanjaka, ary niarahan’i Kimihama. Nanara-dia ny mpanjaka ny Jodeanina rehetra sy ny antsasak’ireo Israelita avaratra.


Dia nankao amin’ny mpanjaka i Jôaba ka nanao taminy hoe: –Norakofanao henatra androany ny miaramilanao rehetra izay namonjy aina anao sy ny zanakao lahy aman-janakao vavy ary ny vadinao sy ny vaditsindranonao.


Tsy hitan’i Isbôsèta intsony izay havaly an’i Abinera noho ny fahatahorany azy.


Dia hoy i Davida namaly azy: «Eny àry fa hanao fanekena aminao aho, saingy izao kosa no mba hangatahiko aminao: Aza miseho amiko raha tsy entinao atỳ i Mikàla zanakavavin’i Saoly.»


Ary hoy i Abinera tamin’i Davida: –Handeha aho, tompoko, ka hamory ny Israelita rehetra ho eo aminao. Hanao fanekena aminao izy ireo ary dia hanjaka hatraiza hatraiza araka izay sitrakao ianao. Navelan’i Davida handeha i Abinera, ka lasa soa aman-tsara.


Rehefa tafaverina tao Hebrôna i Abinera, dia notaomin’i Jôaba hankeny am-bavahady toy ny hiresaka mangina aminy izy, kanjo notrobarany teo amin’ny kibony izy ka maty ho valin’ny nahafatesan’i Asahela rahalahiny.


Ary hoy koa ny mpanjaka tamin’ireo mpanompony: –Tsy fantatrareo va fa komandy sady lehilahy malaza teo amin’i Israely no maty androany?


–Matokia Azy lalandava, ry vahoakany, atosahy eo anoloany ny fiahianareo fa Izy Andriamanitra no fialofantsika. Fiatoana


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra