Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Samoela 19:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Niova ho fisaonana ho an’ny tafika manontolo tamin’io andro io ny fandresena, satria tamin’io no nandrenesany fa nalahelo mafy ny zanany ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Ary ny fandresena tamin’iny andro iny dia tonga fisaonana ho an’ny vahoaka rehetra, satria ren’ny vahoaka tamin’io andro io ny filazana hoe: Malahelo ny zanany ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Niova ho fisaonana ho an’ny tafika manontolo tamin’io andro io ny fandresena, satria tamin’io no nandrenesany fa nalahelo mafy ny zanany ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Niova ho fisaonana ho an’ny vahoaka rehetra ny fandresena tamin’izany andro izany, satria ren’ny vahoaka rehetra tamin’izay andro izany fa hoe: Malahelo mafy noho ny amin’ny zanany, ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary ny famonjena dia tonga fisaonana tamin’ny vahoaka rehetra androtrizay, satria ren’ny vahoaka tamin’izany andro izany hoe: Malahelo ny zanany ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary ny famonjena dia tonga fisaonana tamin'ny vahoaka rehetra androtrizay, satria ren'ny vahoaka tamin'izany andro izany hoe: Malahelo ny zanany ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy




2Samoela 19:3
5 Rohy Ifampitohizana  

Nahoana no nandositra an-tsokosoko ianao ka namitaka ahy? Raha nampandre ahy anefa ianao, dia ho nateriko nombàn’ny hiram-pifaliana sy ny ampongatapaka ary ny lokanga.


Tonga tao Mahanaîma i Davida, raha nita an’i Jôrdàna i Absalôma mbamin’ny miaramila rehetra amin’i Israely.


Ary nampandrenesina i Jôaba hoe: –Indro fa mitomany sy malahelo an’i Absalôma ny mpanjaka.


Nidina avy tany Rôgelima i Barzilay izay Gilehadita. Niara-nita an’i Jôrdàna tamin’ny mpanjaka izy mba hanao veloma azy erỳ am-pitan’ny rano.


Ny miaramila, tamin’io andro io, dia niditra mangingina tao an-tanàna, tahaka ireny olona menatra satria mandositra an’ady ireny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra