Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Samoela 13:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Niferinaina i Amnôna ary nandraiki-narary noho ny amin’i Tamara anabaviny, satria virijiny izy io ka sarotra tamin’i Amnôna ny haka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Nararim-pitia noho ny amin’i Tamara anabaviny i Amnona, satria virijiny izy ka sarotra tamin’i Amnona ny haka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Niferinaina i Amnôna ary nandraiki-narary noho ny amin’i Tamara anabaviny, satria virijiny izy io ka sarotra tamin’i Amnôna ny haka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Niritra aina i Amnôna ka nandraiki-narary terỳ noho ny amin’i Tamara anabaviny, fa virjiny ity izy, ka noheverin’i Amnôna fa toa tsy ho azony atao na inona na inona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin’i Amnona ny haka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin'i Amnona ny haka azy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Samoela 13:2
5 Rohy Ifampitohizana  

Izao no nitranga taorian’izany: I Absalôma zanakalahin’i Davida dia nanana anabavy tsara tarehy natao hoe Tamara. Raiki-pitia taminy i Amnôna zanakalahin’i Davida anankiray.


Fa i Amnôna kosa nanan-tsakaiza natao hoe Jônadaba sady zanakalahin’i Simehà izay rahalahin’i Davida; ary io Jônadaba io dia tena lalin-tsaina.


Ary nalahelo sady tezitra i Ahaba no niverina tao an-tranony, satria nilazan’i Nabôta avy ao Jizrehela hoe: «Tsy homeko anao ny lova avy amin’ny razako.» Dia nandry teo am-parafarany izy ka nitodika tany amin’ny rindrina ary tsy nety nihinan-kanina.


«Ry tovovavin’i Jerosalema ô, miangavy mafy anareo aho hoe: Raha mba tojo ny malalako ianareo, dia inona no holazainareo aminy? –Ilazao izy fa mararim-pitia aho!»


Satria ny alahelo araka an’Andriamanitra dia mahatonga hiala amin’ny toe-dratsy, mba hiroso amin’ny famonjena tsy anenenana; fa ny alahelon’izao tontolo izao kosa dia mahatonga fahafatesana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra