Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




1Korintiana 9:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Tsy hoe araka ny fiheveran’ny besinimaro ihany no itenenako izany fa na ny lalànan’i Mosesy koa aza dia milaza izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Moa araka ny fihevitry ny olona va no itenenako izany, sa mba milaza izany koa ny lalàna?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Tsy hoe araka ny fiheveran’ny besinimaro ihany no itenenako izany fa na ny lalànan’i Mosesy koa aza dia milaza izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Moa araka ny hevitr’olombelona fotsiny ve no ilazako izany, sa mba lazain’ny Lalàna ihany koa izany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Moa araka ny fihevitry ny olona va no itenenako izany, sa ny lalàna mba milaza izany koa?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Moa araka ny fihevitry ny olona va no itenenako izany, sa ny lalàna mba milaza izany koa?

Jereo ny toko dika mitovy




1Korintiana 9:8
9 Rohy Ifampitohizana  

Izao kosa no havalinareo izany: «Ao amin’ny fampianarana sy ny hafatry ny TOMPO ihany no tsy maintsy hiverenana.» Fa izay tsy miteny araka izany baiko izany dia tsy hiposahan’ny taratry ny maraina.


Moa ve manafoana ny lalàna amin’ny alalan’ny finoana isika amin’izany? Sanatria! Vao mainka koa aza manamafy orina ny lalàna!


Koa raha asehon’ny tsy rariny vitantsika fa marina Andriamanitra, inona no holazaintsika? Zavatra tsy rariny ve ny ataon’Andriamanitra raha ampihariny amintsika ny hatezerany? (Araka ny fiheveran’ny besinimaro no itenenako).


Miteny araka ny fiheveran’ny besinimaro aho noho ny halemenareo ara-nofo. Taloha dia nanolotra ny zavatra anisan’ny tenanareo ho mpanompon’ny fahalotoana sy ny tsy fanarahan-dalàna ianareo, ka tonga olona ratsy fanahy; toy izany koa ankehitriny, aoka ianareo hanolotra ny zavatra anisan’ny tenanareo saingy ho mpanompon’ny fahamarinana mba hanananareo toetra masina.


dia aoka hangina ireo vehivavy mandritra ny fiaraha-miangona, satria tsy azony atao ny miteny; fa aoka hanoa izy ireo araka ny voalazan’ny bokin’ny lalàna rahateo.


Kanefa, araka ny hevitro, sambatra kokoa ravehivavy raha mitoetra amin’izao. Ary ataoko fa manana ny Fanahin’Andriamanitra koa aho.


Ampahafantariko anareo, ry havana, fa ny Vaovao Mahafaly notorîko taminareo dia tsy zavatra novolavolain’olombelona.


Izao koa no mahatonga anay ho velom-pisaorana tsy tapaka an’Andriamanitra: rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra notorînay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olombelona izany, fa noraisinareo ho tenin’Andriamanitra, araka ny tena izy, ary dia miasa ao aminareo izay mino.


Koa izay mandà izany fampianarana izany, dia tsy olona no laviny fa Andriamanitra Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra