Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




1Korintiana 5:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Tsy hoe izay mpijangajanga, na mpitia harena, na mpanao an-keriny, na mpanompo sampy eto amin’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin’izao tontolo izao, na ny fatra-pitia harena sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Tsy hoe izay mpijangajanga, na mpitia harena, na mpanao an-keriny, na mpanompo sampy eto amin’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Tsy dia ny mpijangajangan’izao tontolo izao anefa, na ny kahihitra, na ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy, no antsoiko amin’izany, satria raha izany dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin’izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 nefa tsy ny mpijangajanga rehetra amin'izao tontolo izao, na ny mpierina sy ny mpanao an-keriny, na ny mpanompo sampy; fa raha izany, dia tsy maintsy miala amin'izao tontolo izao ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




1Korintiana 5:10
18 Rohy Ifampitohizana  

Naka toerana ilay Farisianina ka nivavaka anakampony hoe: «Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany izay mpangalatra, tsy marina sady mpaka vadin’olona, na tahaka io mpamory hetra io aza.


Raha naman’izao tontolo izao ianareo, dia hotiavin’izao tontolo izao satria azy. Saingy Izaho efa nifidy anareo hiavaka amin’izao tontolo izao, dia ankahalain’izao tontolo izao ianareo.


Ny anaranao dia nampahafantariko ireo olona navahanao tamin’izao tontolo izao sy nomenao Ahy; Anao ireo ka nomenao Ahy, ary ny teninao efa notandremany.


Ho azy ireo no ivavahako; tsy ho an’izao tontolo izao no ivavahako, fa ho an’ireo nomenao Ahy: satria Anao ireo,


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Ianareo dia avy etỳ an-tany; Izaho kosa avy any an-danitra. Ianareo dia avy amin’izao tontolo izao; Izaho kosa tsy mba avy amin’izao tontolo izao.


Aiza ny olon-kendry? Aiza ny mpahay lalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’izao tontolo izao? Tsy efa nahariharin’Andriamanitra ho fahadalana ve ny fahendren’izao tontolo izao?


Raha asain’ny tsy mpino hisakafo ianareo, ka manaiky hankany, dia hano izay arosony anareo fa aza velom-panontaniana akory noho ny fieritreretanareo.


Fa izao kosa no voasoratro: aoka ianareo tsy hifanerasera amin’olona mitonon-tena ho kristianina nefa mpijangajanga, na mpitia harena, na mpanompo sampy, na mpanendrikendrika, na mpidoroka, na mpanao an-keriny; aoka ianareo tsy hiara-misakafo amin’ny kristianina toy izany.


Tao amin’ilay taratasy nalefako taminareo, dia izao no voasoratro: aoka ianareo tsy hifanerasera amin’ny olona mpijangajanga.


Tsy mino izy ireo, satria ny sainy efa nohajambain’i Satàna zanahary tompoin’izao tontolo izao; hany ka voasakana izy ireo tsy hahita ny fahazavàn’ny Vaovao Mahafaly momba ny voninahitr’i Kristy, ilay tena endrik’Andriamanitra.


Niaina araka ny fomban’izao tontolo izao ianareo; narahinareo ilay mpanapaka ny fahefana mifehy eny amin’ny rivotra, dia ilay fanahy izay miasa ankehitriny ao amin’ireo olona tsy manaiky an’Andriamanitra.


mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia ho zanak’Andriamanitra tsy misy kilema eo afovoan’ny olo-meloka sady maditra. Eo afovoan’ireo olona ireo, dia tokony hamirapiratra toy ny kintana eny an’habakabaka ianareo,


Ireny mpaminany sandoka ireny dia anisan’izao tontolo izao, ka izany no itenenany zavatra avy amin’izao tontolo izao sy ihainoan’izao tontolo izao azy.


Ry hava-malala, aoka hifankatia isika, fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra.


Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, fa izao tontolo izao kosa eo ambany fahefàn’ilay Ratsy avokoa.


Ary nazera ilay dràgona, dia ilay bibilava fahizay, ilay atao hoe devoly na hoe Satàna, izay mamitaka izao tontolo rehetra izao; nazera tamin’ny tany izy ary nazera niaraka taminy koa ireo anjeliny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra