Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




1Korintiana 1:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Eny, noho ianareo tafaray amin’i Kristy Jesoa no mampanankarena anareo amin’ny fanomezana rehetra, dia ny teny sy ny fahalalana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 dia ny nampanankarena anareo ao Aminy amin’ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Eny, noho ianareo tafaray amin’i Kristy Jesoa no mampanankarena anareo amin’ny fanomezana rehetra, dia ny teny sy ny fahalalana rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 fa noho ny firaisanareo aminy, tonga manan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo, dia amin’ny teny rehetra sy amin’ny fahalalana rehetra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin’ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin'ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy




1Korintiana 1:5
27 Rohy Ifampitohizana  

Dia feno Fanahy Masina avokoa izy rehetra ary niteny fiteny samihafa araka izay nampitenenan’ny Fanahy azy avy.


Koa raha ny fahadisoan’ny Jiosy aza tonga harena ara-panahy ho an’izao tontolo izao, ary ny fietreny tonga harena ara-panahy ho an’ny hafa firenena, vao mainka fa ny fiverenany tanteraka amin’ny famonjena!


Fa raha ny aminareo, ry havako, dia matoky koa aho fa feno hatsaram-po ianareo ary henika ny fahalalana rehetra sady mahay mifananatra koa.


Eny, izay rehetra hitantsika ao amin’ny Soratra Masina dia voasoratra ho fampianarana antsika mba hananantsika ny fanantenana no ho ny faharetana sy ny fampaherezana avy amin’ny Soratra Masina.


Ny anankiray, hanao asa mahagaga; ny anankiray, hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra; ny anankiray, hahay manavaka ny Fanahy Masina sy ny fanahy manodoka; ny anankiray, hiteny amin’ny fiteny samy hafa tsy fantatra; ary ny anankiray, hanazava ny fiteny tsy fantatra.


Ny anankiray dia omen’ny Fanahy teny feno fahendrena; ary ny anankiray omen’izany Fanahy izany teny feno fahalalana.


Na dia manana ny fanomezana hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra aza aho ka hahatakatra ny zava-miafina rehetra sady ho feno ny fahaizana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra ilaina mba hahafindra tendrombohitra aza aho, saingy tsy manam-pitiavana, dia tsinontsinona ihany.


Tsy manam-pahataperana ny fitiavana. Ho foana kosa rahatrizay ny filazana hafatra avy amin’Andriamanitra, hitsahatra ny fitenenana fiteny tsy fantatra, ho foana koa ny fahaizana;


Ahoana àry no izy, ry havako? Raha miangona ianareo, dia misy manana hira, misy manana fampianarana, misy manana fanambarana, misy milaza hafatra amin’ny fiteny tsy fantatra ary misy manazava izany: aoka ny zavatra rehetra hatao mba hampandroso ny mpiangona amin’ny finoana.


Ka verin’ny fahalalànao ilay malemy ara-pinoana, dia ilay havana izay nahafoizan’i Kristy ny ainy.


Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: «Aoka ny mazava hamirapiratra avy ao anaty haizina», no nampamirapiratra ny mazava ao am-ponay, mba hampisehoanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay hita eo amin’ny tavan’i Jesoa Kristy.


na dia ampalahelovina aza izahay, dia faly mandrakariva; toa mahantra izahay nefa mampanan-karena olona maro; toa tsy manana na inona na inona, nefa manana ny zavatra rehetra.


Manam-be tokoa ianareo amin’ny zavatra rehetra: dia amin’ny finoana, amin’ny teny, amin’ny fahalalana, amin’ny fahazotoana isan-karazany, ary amin’ilay fitiavana raisinareo avy aminay; araka izany koa no aoka hahafoizanareo be amin’izao asa soa izao.


Hataon’Andriamanitra hanan-karena amin’ny zavatra rehetra ianareo mba hahafoy be amin’ny fanasoavana isan-karazany; ka hahatonga ny olona hisaotra an’Andriamanitra noho ny fanomezanareo entinay ho azy ireo.


ka mangataka amin’ilay Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, dia amin’ilay Ray be voninahitra, mba hanomezany anareo ny Fanahy Masina Izay mampahendry anareo sy manambara an’Andriamanitra aminareo ka hahalalanareo Azy tokoa.


Nataony izany mba hanehoany amin’ny andro ho avy rehetra ny harem-pahasoavany mihoa-pampana, satria mora fo tamintsika Izy tao amin’i Kristy Jesoa.


Kely noho izay bitika indrindra amin’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra aho, kanefa nomen’Andriamanitra izany tombon-tsoa izany: dia ny hitory amin’ny hafa firenena ny Vaovao Mahafaly momba ny haren’i Kristy tsy hita lany,


Mivavaha ho ahy koa mba homen’Andriamanitra ny teny hotononiko rehefa hiloa-bava aho, ka dia ho sahy hampahafantatra ny tsiambaratelo raketin’ny Vaovao Mahafaly.


Ary izao no tonombavaka ataoko ho anareo: hitombo bebe kokoa hatrany anie ny fitiavanareo ka hombàn’ny fahalalana marina sy ny tena fahatakaran-javatra


fa miafina ao amin’i Kristy ny rakitra rehetra momba ny fahendrena sy ny fahalalana avy amin’Andriamanitra.


ary efa notafînareo ny toetra vaovao: dia ny toetry ny olona havaozin’Andriamanitra hatrany araka ny endrik’Izy Mpahary azy, mba ho tonga amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra.


Misy hendry sy manan-tsaina ve aminareo? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara fa ny halemem-panahy, vokatry ny fahendrena, no manenika ny asa ataony.


Fa mitomboa fahasoavana sy fahalalana an’i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amen.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra