Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




1Timoty 5:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Ary tsy vitan’izany, fa mianatra mandany andro miriorio mitety tranon’olona koa ireo; ary tsy hoe mandany andro fotsiny, fa mipentsompentsona, manao zavatra tsisy antony etsy sy eroa miresaka zavatra tsy tokony horesahina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ankoatra izay dia mianatra ho malaina miasa koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina miasa ihany fa mitati-dresaka sy mpandehandeha miraharaha ny an’olona ka manao teny tsy tokony hotenenina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ary tsy vitan’izany, fa mianatra mandany andro miriorio mitety tranon’olona koa ireo; ary tsy hoe mandany andro fotsiny, fa mipentsompentsona, manao zavatra tsisy antony etsy sy eroa miresaka zavatra tsy tokony horesahina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 sady midonana-poana koa ireny, ka rafitra ny hitety trano, dia tsy midonana-poana fotsiny, fa be taria, misafo ny an’olona, miresaka ny tsy tokony horesahina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Sady mianatra ho malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an’olona ka manao teny tsy mety.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Sady mianatra ho malaina koa izy ka mandehandeha mitety trano; ary tsy malaina ihany, fa mpilazalaza sy mpandehandeha miraharaha ny an'olona ka manao teny tsy mety.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 5:13
14 Rohy Ifampitohizana  

Ny mpanely fanaratsiana no manambara tsiambaratelo; fa ny olo-mahatoky kosa mahay manafin-javatra.


Izay mifosa namana dia manambara tsiambaratelo; koa aza mifanerasera amin’ny olona basivava.


Manara-maso izay fizotry ny ankohonany izy ka tsy malaina manomana ny sakafo hohaniny.


Sahisahy sady tsy mahatombin-tsiraka izy ka tsy mety tafapetraka ao an-tranony.


Aza manely fanendrikendrehana olona eo amin’ny mpiray firenena aminareo. Aza mitsangan-ko vavolombelona mandainga mba hanamelohana ny namanareo ho faty. Izaho no TOMPO.


Mitoera amin’izany trano izany, fa aza mifindrafindra trano; ary hano sy sotroy izay aroson’ny tompon-trano, fa ny mpiasa dia mendrika homena ny karamany.


Fantatrareo fa tsy mba nafeniko izay mahasoa anareo, fa notorîko sy nampianariko na vory vahoaka na isan-tokantrano.


Avy eo amin’ny samy ianareo ihany aza no hisy hijoro hilaza lainga mba hitaomany ny mpianatra hanaraka azy.


ka manjary meloka ireo, satria mivadika tamin’ilay toky nomeny an’i Kristy tam-boalohany.


Tsy maintsy tampenam-bava ireo fa mampisavorovoro fianakaviana maro, satria mampianatra zavatra tsy tokony hampianarina mba hahazoan-karena amin’ny fomba maloto.


vava iray ihany no ivoahan’ny teny fankalazana sy fanozonana. Ry havako, tsy mety ny toy izany!


Eny, aoka aminareo tsy hisy hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin’ny raharahan’olona;


Noho izany, rehefa tonga aho, dia hotsarovako ny asa ataony, amin’izy mibedibedy foana manaratsy anay; sady tsy afa-pon’izany, fa ny tenany tsy mety mandray ireo havana iray finoana, ary izay te handray ireo koa sakanany sy roahiny hiala amin’ny Fiangonana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra