Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




1Tantara 29:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Dia nipetraka teo amin’ny sezafiandrianana nomen’ny TOMPO azy i Salômôna mba ho mpanjaka handimby an’i Davida rainy; sady nambinina izy ka nanaiky azy i Israely manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Dia nipetraka teo amin’ny sezafiandrianan’NY TOMPO ho mpanjaka handimby an’i Davida rainy i Solomona, ary nambinina izy ka nanaiky azy ny Israely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Dia nipetraka teo amin’ny sezafiandrianana nomen’ny TOMPO azy i Salômôna mba ho mpanjaka handimby an’i Davida rainy; sady nambinina izy ka nanaiky azy i Israely manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Iaveh i Salômôna, ho mpanjaka dimbin’i Davida rainy, sady nambinina izy ary nankatoavin’i Israely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Ary Solomona dia nipetraka tamin’ny seza fiandrianan’i Jehovah ho mpanjaka handimby an’i Davida rainy, sady nambinina izy, ka nanaiky azy ny Isiraely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Ary Solomona dia nipetraka tamin'ny seza fiandrianan'i Jehovah ho mpanjaka handimby an'i Davida rainy, sady nambinina izy, ka nanaiky azy ny Isiraely rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 29:23
21 Rohy Ifampitohizana  

Mankanesa any amin’i Davida mpanjaka ka lazao aminy hoe: «Moa tsy efa nianiana tamiko va ianao, ry andriamanjaka, fa i Salômôna zanako lahy no hanjaka handimby anao ka hipetraka eo amin’ny sezafiandriananao. Koa nahoana no i Adônià indray no tonga mpanjaka?»


koa mianiana aminao aho fa hotanterahiko anio izay efa nampanantenaiko taminao teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely hoe: «I Salômôna zanakao no hanjaka handimby ahy ka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako».


Avy eo ianareo dia hiakatra hanaraka azy ao an-tanàna; ary hiditra i Salômôna dia hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako ka hanjaka hisolo ahy, satria izy no voatendriko ho filohan’i Israely sy i Joda.


Manaraka izany koa dia efa tafapetraka amin’ny sezafiandrianana maha mpanjaka i Salômôna;


I Salômôna no nipetraka teo amin’ny sezafiandrianan’i Davida rainy ary niorina tsara ny fahefàm-panjakany.


Dia novorin’i Jôiadà ny kapiteny sy ny Karianina ary ny miaramila mpiambina hafa mbamin’ny vahoaka rehetra; ary nentina avy tao an-tranon’ny TOMPO ity mpanjaka, ka ny vavahadin’ny mpiambina no nandalovana hanatitra azy ao an-dapany. Rehefa tafapetraka teo amin’ny sezafiandrianana maha mpanjaka azy i Jôasy,


Koa ankehitriny, anaka, hiaraka aminao anie ny TOMPO ka hanambina anao hanorina trano ho Azy TOMPO Andriamanitrao, araka izay efa voalazany ny aminao.


Tamin’ny zanakalahiko rehetra kosa (fa nomen’ny TOMPO zanakalahy maro aho), dia i Salômôna zanako no nofidiny hipetraka eo amin’ilay sezafiandrianana manambara ny fanjakàn’ny TOMPO amin’i Israely.


Samy nanaiky an’i Salômôna mpanjaka avokoa ny mpifehy sy ny miaramila mahery fo ary na dia ny zanaka hafa rehetra naterak’i Davida aza.


Ary i Salômôna, zanakalahin’i Davida, nanamafy orina ny fahefana maha mpanjaka azy; ary niaraka tamin’i Salômôna ny TOMPO Andriamaniny ka nanandratra azy ho amin’ny ambony indrindra.


Dia hoy i Salômôna tamin’Andriamanitra: –Efa nanehoanao fitiavana lehibe i Davida raiko; ary nampanjaka ahy handimby azy Ianao.


Dia novorin’i Jôiadà ny mpifehy andia-miaramila sy ny loholona ary ny manampahefana mbamin’ny vahoaka rehetra; ary nentina avy tao an-tranon’ny TOMPO ity mpanjaka, ka ny vavahady ambony no nandalovana hanatitra azy ao an-dapany. Rehefa tafapetraka teo amin’ny sezafiandrianana maha-mpanjaka azy i Jôasy,


I Salômôna dia nanjaka efapolo taona tao Jerosalema tamin’i Israely manontolo.


Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitrao, fa sitrany napetraka eo amin’ny sezafiandrianany ianao mba ho mpanjaka hanompo Azy TOMPO Andriamanitrao; fa ny fitiavan’Andriamanitrao an’i Israely ka hampitoetra azy mandrakizay no nanaovany anao ho mpanjaka mba hampihatra ny rariny sy ny fahamarinana.


Ny TOMPO efa nanao fianianana tamin’i Davida ka tsy hivadika amin’ny marina voalazany hoe: «Iray amin’ireo zanakalahinao no hataoko mpanjaka handimby anao amin’ny sezafiandriananao.


Ohabolan’i Salômôna zanakalahin’i Davida sady mpanjakan’i Israely.


Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny manampahefana ara-panjakana; fa tsy misy fahefana tsy avy amin’Andriamanitra, ary ny fahefana izay misy dia voatendrin’Andriamanitra avokoa.


I Josoa, zanakalahin’i Nona, dia feno fanahy fahendrena, satria efa nametrahan’i Mosesy tanana; ka nihaino azy ny Israelita sady nanatanteraka ny didy nampitain’ny TOMPO tamin’i Mosesy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra