1Tantara 29:18 - DIEM PROTESTANTA18 Ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razanay ô, tahirizo mandrakizay izany toe-tsaina sy toe-po ananan’ny vahoakanao izany ka ataovy mitodika aminao hatrany ny fony; Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201118 Ry TOMPO, Andriamanitry ny razanay ô, dia i Abrahama sy Isaka ary Israely, mba ampahareto ao am-pon’ny olonao mandrakizay izany fikasan’ny sainy izany ka ampiomany ho Anao ny fony. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara18 Ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razanay ô, tahirizo mandrakizay izany toe-tsaina sy toe-po ananan’ny vahoakanao izany ka ataovy mitodika aminao hatrany ny fony; Jereo ny tokoBaiboly Katolika18 Ry Iaveh, Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Israely razanay ô, tahirizo mandrakizay izany mba ho fomban’ny hevitra ao am-pon’ny vahoakanao, ary tano hitodika aminao ny fony. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy18 Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, dia Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba ampahareto ao am-pon’ny olonao mandrakizay izany fikasan’ny sainy izany, ka ampiomany ho Anao ny fony; Jereo ny tokoMalagasy Bible18 Jehovah ô, Andriamanitry ny razanay, dia Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba ampahareto ao am-pon'ny olonao mandrakizay izany fikasan'ny sainy izany, ka ampiomany ho Anao ny fony; Jereo ny toko |
«Ianao kosa, ry Salômôna zanako, fantaro ilay Andriamanitra notompoin’ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo manontolo sy amin’ny fanahy mazoto; fa ny TOMPO dia mpandinika ny fon’ny olona rehetra ary mpahafantatra ny fieritreretana rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
Fantatro, ry Andriamanitro ô, fa mandinika ny ao am-pon’ny olona Ianao ary mankasitraka ny hitsim-po. Raha izaho, dia tamin-kitsim-po no nanolorako an-tsitrapo ireo fanomezana rehetra ireo; ary ankehitriny, dia amin-kafaliana no ahitako ny vahoakanao izay vory eto, nanolotra an-tsitrapo ny fanomezany ho Anao.
Dia lasa ireto iraka haingam-pandeha nitety ny faritra rehetra amin’i Israely sy i Joda, ombàn’ny taratasy avy tamin’ny mpanjaka sy ny manampahefana; araka ny didin’ny mpanjaka, dia izao no teny nolazainy: –Ianareo Israelita izay sisa tavela tamin’ny famelezan’ireo mpanjakan’i Asiria, miverena amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba.