Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




1Samoela 8:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Rehefa antitra i Samoela, dia ireo zanany no nataony ho mpanapaka ny vahoaka Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Rehefa antitra i Samoela dia ny zanany no nataony mpitsara ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Rehefa antitra i Samoela, dia ireo zanany no nataony ho mpanapaka ny vahoaka Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Nony efa antitra i Samoela, dia ireo zanany no natsangany hitsara an’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY rehefa antitra Samoela, dia ny zanany no nataony mpitsara ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary rehefa antitra Samoela, dia ny zanany no nataony mpitsara ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy




1Samoela 8:1
9 Rohy Ifampitohizana  

Notendreko hitantana an’i Jerosalema i Hanany rahalahiko sy i Hananià, lehiben’ny tranomimanda, izay lehilahy mahatoky sady matahotra an’Andriamanitra mihoatra noho ny maro.


Eo imason’Andriamanitra sy i Kristy Jesoa ary ny anjely masina no ameperako mafy anao: tandremo tsara ireo torohevitra ireo, ka tsy hisy fizahàn-tavan’olona na fiangarana amin’izay ataonao.


Nanan-janaka telopolo lahy izay nitaingina boriky telopolo sady nanana toerana telopolo tao amin’ny faritanin’i Gilehada; ary mandraka ankehitriny dia antsoina hoe Havôta-Jaîro ireny toerana ireny.


Nanan-janaka efapolo lahy sy zafikely telopolo lahy i Habdôna; ka samy nitaingina boriky iray avy ireo. Nitondra ny Israelita nandritra ny valo taona i Habdôna;


Ianareo izay mitaingina borikivavy fotsy, ianareo izay mipetraka eo ambony karipetra, ianareo izay mandeha eny an-dalana, mankalazà ny TOMPO noho ny fandresena!


Ary ankehitriny dia ny mpanjaka no hitarika anareo fa efa antitra sy osa aho, ary indreo ny zanako fa efa lehibe toa anareo. Nitondra anareo efa hatramin’ny fahatanorako aho ka mandraka androany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra