Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nehemia 8:3 - Baiboly Protestanta Malagasy

3 Dia novakina teo an-kalalahana teo anoloan’ny vavahadin-drano izy hatramin’ny vao maraina koa ka ambara-pitataovovonan’ny andro, dia teo anatrehan’ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’izay efa mahahaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin’ny lalàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Dia novakiny teo amin’ny toerana malalaka teo anoloan’ny vavahadin-drano izany, hatramin’ny vao maraina ka ambara-pitataovovonan’ny andro, dia teo anatrehan’ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’izay afaka mihaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin’ny lalàna.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Nanomboka ny maraina ka mandra-pahatongan’ny mitataovovonana, dia teo amin’ny kianja anoloan’ny Vavahadin’ny Rano i Hezrà ka namaky ny boky; ary nampandry sofina hihaino izany avokoa ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Nanomboka ny maraina ka mandra-pahatongan’ny mitataovovonana, dia teo amin’ny kianja anoloan’ny Vavahadin’ny Rano i Hezrà ka namaky ny boky; ary nampandry sofina hihaino izany avokoa ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Novakiny teo anatrehan’ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’izay efa manan-tsaina hahafantatra azy ny boky, teo amin’ny kianja anoloan’ny vavahadin’ny Rano, hatramin’ny maraina ka mandra-pisasaky ny andro, ary nampandry sofina nihaino ny bokin’ny lalàna avokoa ny vahoaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Dia novakina teo an-kalalahana teo anoloan'ny vavahadin-drano izy hatramin'ny vao maraina koa ka ambara-pitataovovonan'ny andro, dia teo anatrehan'ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin'izay efa mahahaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin'ny lalàna.

Jereo ny toko dika mitovy




Nehemia 8:3
25 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny olona sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny Netinima, ary izay rehetra efa niavaka tamin’ny tompon-tany hanaraka ny lalàn’Andriamanitra mbamin’ny vadin’ireo sy ny zanani-lahy ary ny zanani-vavy, izay rehetra efa nahahaino,


TAMIN’izany andro izany dia novakina teo anatrehan’ny olona ny teny ao amin’ny bokin’i Mosesy, ka hita voasoratra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin’ny fiangonan’Andriamanitra mandrakizay,


Dia nivory tahaka ny olona iray izy rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan’ny vavahadin-drano; ary niteny tamin’i Ezra mpanora-dalàna izy mba ho entiny ny bokin’ny lalàn’i Mosesy izay nandidian’i Jehovah ny Isiraely.


Ary namaky ny teny tao amin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra isan-andro isan-andro izy hatramin’ny andro voalohany ka hatramin’ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin’ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.


Ary Ezra mpanora-dalàna nitsangana teo ambonin’ny lampihazo fitoriana, izay efa natao ho fitoriana izany; ary Matitia sy Sema sy Anaia sy Oria sy Hilkia ary Mahaseia no nitsangana teo anilany ankavanana; ary Pedaia sy Misaela sy Malkia sy Hasoma sy Hasbadana sy Zakaria ary Mesolama no teo anilany ankavia kosa.


Dia nosokafan’i Ezra teo imason’ny olona rehetra ny boky (fa ambony toerana noho ny olona rehetra izy); ary rehefa nosokafany izany, dia nitsangana koa ny olona rehetra.


Ny tenan’i Davida manao Azy hoe ,,Tompo’’, koa ahoana no maha-Zanany Azy? Ary ny vahoaka betsaka nihaino Azy tamin’ny hafaliana.


nefa tsy hitany izay hataony, satria ny vahoaka rehetra nazoto dia nazoto hihaino Azy.


Koa tandremo ny fihainonareo; fa izay manana dia homena; ary izay tsy manana kosa, na dia izay ataony ho ananany aza dia halaina aminy.


Ary rehefa vita ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin’ny olona, dia ataovy.


Fa izay monina any Jerosalema sy ny loholony, satria tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon’ny mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia nahatanteraka izany tamin’ny nanamelohany Azy.


Fa hatramin’ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin’ny isan-tanàna Mosesy, fa vakina ao amin’ny synagoga rehetra isan-tSabata ny teniny.


Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin’Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain’i Paoly.


Ary ny toe-panahin’ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin’ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masina isan-andro, na marina izany, na tsia.


Ary niakatra Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarain’ny andro izy, dia lasa nandeha.


Ary tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitori-teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-pahamamatonalina izy.


Ary rehefa nanao fotoana taminy ireo, dia maro no nankeo aminy tao an-trano nitoerany; ary izy nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan’Andriamanitra hatramin’ny maraina ka hatramin’ny hariva, ary ny teny eo amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany no nitaomany azy hino an’i Jesosy.


Dia nosoratan’i Mosesy izany lalàna izany ka natolony ireo mpisorona, taranak’i Levy, izay mpitondra ny fiaran’ny faneken’i Jehovah, sy ny loholon’ny Isiraely rehetra.


Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an’Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra izay notorinay hianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olona, fa araka izay marina, dia ny tenin’Andriamanitra, izay miasa ao anatinareo izay mino koa.


Tsy nisy teny tamin’izay rehetra nandidian’i Mosesy, izay tsy novakin’i Josoa teo anatrehan’ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin’ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.


Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana.


Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra