3 Ny vavahadin-kazandrano dia narafitry ny zanak’i Hasena; izy no nandatsaka ny rairainy sy ny lelam-bavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny tsivalan-kazony.
3 Ny taranak’i Senaà no nanao ny vavahadin’ny Hazandrano, nataony teo ny sakamandimby, dia nalatsany ny lela-vavahady, mbamin’ny karetsaka sy ny barany;
sy taratasy ho amin’i Asafa, mpitandrina ny alan’ny mpanjaka, mba hanomezany hazo hanaovako ny vavahadin’ny lapa izay momba ny tempoly sy hanaovako ny màndan’ny tanàna sy ny trano izay hitoerako. Dia nomen’ny mpanjaka ahy izany araka ny soa nataon’ny tànan’Andriamanitro tamiko.
Ary ny vavahady taloha dia namboarin’i Joiada, zanak’i Pasea, sy Mesolama, zanak’i Besodia; izy roa lahy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin’ny hidiny sy ny vavombiny.
Ary amin’izany andro izany, hoy Jehovah, Dia hisy feo re mitaraina any am-bavahadin-kazandrano, Sy fidradradradrana ao amin’ny tanàna ambany, Ary fidarabohana miezinezina any amin’ny havoana.