Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 8:4 - Baiboly Protestanta Malagasy

4 Dia nandidy azy izy ka nanao hoe: Indro, hianareo hanotrika eo ivohon’ny tanàna hamely azy, ka aza manalavitra azy loatra, fa miomàna hianareo rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Ary nandidy azy izy hoe: Indro, hanao vela-pandrika avy ao ambadiky ny tanàna hamely azy ianareo ka aza manalavitra azy loatra fa aoka ho vonona ianareo rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 sady nanome baiko azy hoe: –Mandehana mamitsaka ao ivohon’ny tanàna ianareo ka aza manalavitra azy loatra fa samia vonombonona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 sady nanome baiko azy hoe: –Mandehana mamitsaka ao ivohon’ny tanàna ianareo ka aza manalavitra azy loatra fa samia vonombonona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 ka izao no baiko nomeny azy: «Mahìna ianareo, dia aoka hanotrika ao ivohon’ny tanàna ianareo, ka aza manalavitra ny tanàna loatra ary samia mivonona hatrany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Dia nandidy azy izy ka nanao hoe: Indro, ianareo hanotrika eo ivohon'ny tanàna hamely azy, ka aza manalavitra azy loatra, fa miomàna ianareo rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 8:4
14 Rohy Ifampitohizana  

Ary ny mpanjaka nifoha raha mbola alina ka niteny tamin’ny mpanompony hoe: Aoka hambarako aminareo ange izao ataon’ny Syriana amintsika izao e! Fantany fa mosarena isika, ka dia niala tamin’ny toby izy mba hanotrika any an-tsaha ka nanao hoe: Raha mivoaka avy any an-tanàna izy dia hataontsika sambo-belona, ary dia hidirantsika ny tanàna.


Fa nasain’i Jeroboama nanompirana no fandehan’ny otrika mba ho tonga ao aoriany, ka dia izy teo anoloan’ny Joda, ary ny otrika teo ivohony.


Ny fahendrena no maharo ny hendry mihoatra noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna.


Koa hoy izaho: Aleo fahendrena toy izay hery; kanjo hamavoina ny fahendren’ny malahelo, ary ny teniny tsy mba henoina.


Koa aza manaiky azy hianao, fa misy tsy omby efa-polo lahy izy manotrika hisambotra an’i Paoly ka efa niozona sy nianiana izy fa tsy hihinana na hisotro ambara-pamonony azy; ary efa vonona izy ankehitriny ka miandry ny teny avy atỳ aminao.


Dia nifampiantso hanenjika azy ny vahoaka rehetra izay tao an-tanàna; ary nanenjika an’i Josoa izy, ka dia voatarika ho tafavoaka ny tanàna.


Dia niainga Josoa sy ny mpanafika rehetra hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo alina Josoa ka nandefa ireo tamin’ny alina.


Ary nasian’ny Isiraely otrika manodidina an’i Gibea.


Ary ny lehilahy rehetra amin’ny Isiraely nitsangana niala tamin’ny fitoerany ka nilahatra tany Bala-tamara; ary ny Isiraely izay nanotrika dia niroatra avy tamin’ny fitoerany, avy tao an-tsahan’i Gibea.


Ary hitan’ny taranak’i Benjamina fa resy izy; ary ny lehilahy amin’ny Isiraely nanao tari-dositra tamin’ny Benjamita, satria natoky ny otrika izay efa napetrany teo akaikin’i Gibea izy.


Ary nanaovan’ny mponina tao Sekema otrika tany an-tampon-tendrombohitra izy, dia nobaboin’ny otrika izay rehetra nandalo tamin’izany làlana izany; ary nolazaina tamin’i Abimeleka izany.


Koa ankehitriny, miaingà alina hianao sy ny vahoaka eo aminao, ka manotreha any an-tsaha.


Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Hovaliako izay nataon’ny Amalekita tamin’ny Isiraely, dia ny nanotrehany azy tany an-dàlana, fony izy niakatra avy tany Egypta.


Ary Saoly dia tonga tao an-tanànan’ny Amalekita ka nanotrika tao an-dohasaha.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra