Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 7:4 - Baiboly Protestanta Malagasy

4 Dia niakatra nankany ny olona sasany, tokony ho telo arivo lahy; kanjo nandositra teo anoloan’ny mponina tao Ay ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Dia niakatra nankany ny olona sasany, tokony ho telo arivo lahy; kanjo nandositra teo anoloan’ny mponina tao Ay ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Koa tokony ho lehilahy telo arivo no niakatra tany. Kanjo voatery nandositra teo anatrehan’ny mponina tao Hay ireo;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Koa tokony ho lehilahy telo arivo no niakatra tany. Kanjo voatery nandositra teo anatrehan’ny mponina tao Hay ireo;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Tokony ho telo arivo lahy tamin’ny vahoaka no niakatra, kanjo vaky nandositra teo anoloan’ny mponina tao Haia ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Dia niakatra nankany ny olona sasany, tokony ho telo arivo lahy; kanjo nandositra teo anoloan'ny mponina tao Ay ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 7:4
7 Rohy Ifampitohizana  

Efa nampihemotra ny lelan’ny sabany Hianao. Ka tsy nampaharitra azy tamin’ny ady.


Ny arivo handositra, raha rahonan’ny anankiray, Eny, handositra hianareo, raha rahonan’ny dimy, Mandra-pahatongan’ny sisa aminareo ho tahaka ny to-kazo avo any an-tampon’ny tendrombohitra Sy tahaka ny faneva any amin’ny havoana.


Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin’Andriamanitrareo, Ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.


Dia hanandrina anareo ny Tavako, ka ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo hianareo; ary izay mankahala anareo no hanapaka anareo; dia handositra hianareo, na dia tsy misy manenjika aza.


Hatolotr’i Jehovah ho resy eo anoloan’ny fahavalonao hianao, ka làlana iray no hivoahanao hiady aminy, fa làlana fito kosa no handosiranao hiala eo anoloany; dia ho mpanjenjena any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany hianao.


Hataon’ny irery ahoana no fanenjika ny arivo, Ary hataon’ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, Raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, Ary Jehovah no efa nanolotra azy?


Ary niverina tany amin’i Josoa izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra; fa olona tokony ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra hamely an’i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany, fa vitsy ihany izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra