Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 6:3 - Baiboly Protestanta Malagasy

3 Koa mandehana manodidina ny tanàna indray mandeha hianareo mpanafika rehetra; henemana no hanaovanao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Koa mandehana manodidina ny tanàna indray mandeha ianareo mpanafika rehetra; henemana no hanaovanao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Koa mandehana manodidina ny tanàna indray mandeha isan’andro ianao sy ny mpiantafikao rehetra; mandritra ny enina andro no hanaovanao izany

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Koa mandehana manodidina ny tanàna indray mandeha isan’andro ianao sy ny mpiantafikao rehetra; mandritra ny enina andro no hanaovanao izany

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Koa mandehana manodidina ny tanàna ianareo rehetra, dia ny lehilahy mpiantafika, mandehana ianareo manodidina indray maka ny tanàna, ka henemana ianareo hanao toy izany ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Koa mandehana manodidina ny tanàna indray mandeha ianareo mpanafika rehetra; henemana no hanaovanao izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 6:3
9 Rohy Ifampitohizana  

Ary teo ambanin’ny tavin-drano lehibe nisy sarin’omby manodidina azy, dia folo amin’ny iray hakiho manodidina. Roa andalana ny sarin’omby sady niara-natao an-idina tamin’ny tavin-drano.


Fa aza miodina amin’i Jehovah hianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy hianareo.


Fa manana izao rakitra izao amin’ny vilany tany izahay, mba ho an’Andriamanitra ny halehiben’ny hery, fa tsy ho avy aminay.


Ary nanodidina ny tanàna indray mandeha ny fiaran’i Jehovah; dia nankany an-toby ny olona ka nitoetra tany.


Dia nanodidina ny tanàna indray mandeha koa izy tamin’ny andro faharoa ka niverina tany an-toby; henemana no nanaovany toy izany.


Ary hoy Jehovah tamin’i Josoa: Indro, efa natolotro eo an-tànanao Jeriko sy ny mpanjakany mbamin’ny lehilahy mahery.


Ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan’ny fiara; ary amin’ny andro fahafito dia hodidino impito ny tanàna, ary aoka ny mpisorona hitsoka ny anjomara.


Dia hoy izy tamin’ny vahoaka: Mandehana, ka manodidìna ny tanàna, ary aoka ny olona efa voaomana hiady handeha eo alohan’ny fiaran’i Jehovah.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra