Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 5:2 - Baiboly Protestanta Malagasy

2 TAMIN’izany andro izany no nilazan’i Jehovah tamin’i Josoa hoe: Manaova fiharatra vato ho anao, ka atombohy indray ny famorana ny Zanak’Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Tamin’izany andro izany no nilazan’NY TOMPO tamin’i Josoa hoe: Manaova hareza vato ho anao, koa atombohy indray ny famorana ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Tamin’izay koa dia hoy ny TOMPO tamin’i Josoa: –Manaova antsy vato ho anao, ka forao ireto Israelita taranaka vaovao ireto.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Tamin’izay koa dia hoy ny TOMPO tamin’i Josoa: –Manaova antsy vato ho anao, ka forao ireto Israelita taranaka vaovao ireto.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Tamin’izany andro izany hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Manaova antsy vato ho anao, ka ataovy fanindroany ny famorana ny zanak’i Israely.»

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Tamin'izany andro izany no nilazan'i Jehovah tamin'i Josoa hoe: Manaova fiharatra vato ho anao, ka atombohy indray ny famorana ny Zanak'Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 5:2
8 Rohy Ifampitohizana  

Dia naka fiharatra vato Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia natsipiny teo anilan’ny tongony, ka hoy izy: Efa vady azoko amin’ny fandatsahan-dra hianao.


fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin’ny fo, amin’ny fanahy, fa tsy amin’ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin’ny olona, fa avy amin’Andriamanitra.


Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen’ny fahamarinana amin’ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain’ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an’ireny ny fahamarinana,


Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony hianareo.


Dia hoforan’i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ny taranakao hitiavanao an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona hianao.


ary tao aminy koa no namorana anareo tamin’ny famorana tsy nataon-tànana, tamin’ny fanesorana ny tenan’ny nofo, dia tamin’ny famoran’i Kristy;


Dia nanao fiharatra vato ho azy Josoa ka namora ny Zanak’Isiraely teo an-kavoana Haralota.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra