Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 5:1 - Baiboly Protestanta Malagasy

1 Ary ny mpanjaka rehetra amin’ny Amorita any an-dafy andrefan’i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin’ny Kananita any amoron’ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan’i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan’ny Zanak’Isiraely mandra-pitany, dia ketraka ny fony, ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak’Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Rehefa nandre ny nanamainan’NY TOMPO ny ranon’i Jordana teo anoloan’ny Zanak’Israely nandritra ny fiampitàny ny mpanjaka rehetra tamin’ny Amorita any andafy andrefan’i Jordana sy ireo mpanjaka rehetra tamin’ny Kananita any amoron’ny ranomasina dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Ny mpanjaka rehetra, tamin’ny Amôrita nonina teny andafy andrefan’i Jôrdàna sy tamin’ny Kanahanita nonina tany amoron’ny Ranomasina Mediteranea, dia nahare fa nataon’ny TOMPO maina ny falehan’ny ranon’i Jôrdàna teo anoloan’ny Israelita mandra-pitany; noho izany dia ketraka ny fon’ireo mpanjaka ireo ka tsy nanam-pahasahiana intsony ry zareo hanoherana ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Ny mpanjaka rehetra, tamin’ny Amôrita nonina teny andafy andrefan’i Jôrdàna sy tamin’ny Kanahanita nonina tany amoron’ny Ranomasina Mediteranea, dia nahare fa nataon’ny TOMPO maina ny falehan’ny ranon’i Jôrdàna teo anoloan’ny Israelita mandra-pitany; noho izany dia ketraka ny fon’ireo mpanjaka ireo ka tsy nanam-pahasahiana intsony ry zareo hanoherana ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Nony ren’ny mpanjakan’ny Amôreana rehetra any an-dafin’i Jordany any andrefana sy ny mpanjakan’ny Kananeanina rehetra akaikin’ny ranomasina fa nataon’i Iaveh maina ny ranon’i Jordany teo anoloan’ny zanak’i Israely mandra-pitantsika, dia kivy ny fony ka nanary toky teo anoloan’ny zanak’i Israely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny Amorita any an-dafy andrefan'i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin'ny Kananita any amoron'ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan'i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitany, dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak'Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 5:1
32 Rohy Ifampitohizana  

Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema; dia tao an-kazo terebintan’i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay.


Ary izaho manome anao zaratany iray ho tombon-dahinao amin’ny rahalahinao, izay nalaiko tamin’ny sabatro sy ny tsipìkako teo an-tànan’ny Amorita.


Ary ny mpanjaka nampaka ny Gibeonita ka nanao taminy hoe (ny Gibeonita tsy mba isan’ny Zanak’Isiraely, fa sisa tamin’ny Amorita, ary ny Zanak’Isiraely efa nianiana taminy; nefa Saoly nitady izay hamelezany azy amin’ny firehetan’ny fitiavany ny Zanak’Isiraely sy ny Joda),–


sy ny fihinany teo amin’ny latabany sy ny fipetrahan’ny tandapany sy ny fitoeran’ny mpanompony mbamin’ny fitafian’ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon’i Jehovah, dia talanjona terỳ izy.


ARY rehefa vita izany rehetra izany, dia nanatona ahy ny mpanapaka ka nanao hoe: Ny Isiraely sy ny mpisorona ary ny Levita dia tsy mbola miavaka amin’ny olona tompon-tany, fa manao araka ny fahavetavetan’ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Jebosita sy ny Amonita sy ny Moabita sy ny Egyptiana ary ny Amorita ihany izy.


Dia Sihona, mpanjakan’ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan’i Basana, Ary ny fanjakan’i Kanana rehetra;


Ary hampandeha fanenitra eo alohanao Aho, ka handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao ireny.


Ny nosy nahita ka raiki-tahotra; Toran-kovitra ny vazan-tany, Dia nanatona izy ka tonga.


ka ataovy hoe: Izao no lazain’i Jehovah Tompo amin’i Jerosalema: Ny tany Kanana no nahaterahanao sy nahabe anao; Amorita no rainao, ary Hetita no reninao.


Ry zanak’olona, manandrifia an’i Jerosalema, Ary mitenena manandrify ny fitoerana masina, Ka maminania ny amin’ny hamelezana ny tanin’ny Isiraely.


Dia nivaloarika ny tarehin’ny mpanjaka, ary naharaiki-tahotra azy ny eritreriny, ka dia nivahavaha ny valahany, sady niady ny lohaliny.


Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, Dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera Sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony Sy ny fakany tao ambany.


Ny Amalekita no monina eo amin’ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin’ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron’ny ranomasina sy eo amoron’i Jordana.


Kanefa tsy nahazo ireo tanàna ireo ny taranak’i Manase: fa tian’ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.


Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an’i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin’ny tany onenanareo fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay.


dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin’ny tanàna Adama, izay eo anilan’i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin’ny ranomasin’ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin’i Jeriko.


Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ny faneken’i Jehovah dia nijoro tsara tamin’ny tany maina teo afovoan’i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin’ny tany maina mandra-pahatafitan’izy rehetra an’i Jordana.


eny, hijanona eny lavitra eny izy noho ny fahatahorana ny fanaintainany ka hanao hoe: Indrisy! indrisy! Babylona, ilay tanàna lehibe! ry ilay tanàna mafy! fa tamin’ny ora iray monja dia tonga ny fitsarana anao.


ARY rehefa maty Josoa, dia nanontany tamin’i Jehovah ny Zanak’Isiraely hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin’ny Kananita ho anay?


Koa ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo anoloan’ny Isiraely olony: ary hianao kosa va ta-haka ny tany?


dia ireo andriana dimy tamin’ny Filistina sy ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny Hivita, izay nonina tany an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin’i Bala-hermona ka hatramin’ny làlana mankany Hamata.


Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tànan’i Jabina, mpanjakan’i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan’ny Jentilisa, no komandin’ny miaramilany.


Ary nony maraina, ka afaka ny hamamoan’i Nabala, dia nambaran’ny vavy taminy izany zavatra izany, ka dia matihena ny fony ka tonga tahaka ny vato.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra