Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 4:8 - Baiboly Protestanta Malagasy

8 Dia nanao izany ny Zanak’Isiraely araka izay nandidian’i Josoa ka naka vato roa ambin’ny folo teo afovoan’i Jordana, araka izay nolazain’i Jehovah tamin’i Josoa, araka ny isan’ny firenen’ny Zanak’Isiraely, ka nentiny nita niaraka taminy ho eo amin’izay nitobiany ka napetrany teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Dia nanatanteraka izay nandidian’i Josoa ny Zanak’Israely ka naka vato roa amby folo teo afovoan’i Jordana, araka izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Josoa, araka ny isan’ny fokon’ny Zanak’Israely, ka noentiny nita niaraka taminy ho eo amin’izay nitobiany ireo ka napetrany teo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Dia nanao araka izay nandidian’i Josoa azy ny olona voatendry ka naka vato 12 teo afovoan’i Jôrdàna, araka izay nolazain’ny TOMPO tamin’i Josoa sy araka ny isan’ny foko israelita. Ireo vato ireo dia nentiny niaraka taminy ho eo amin’ny toerana izay nitobiany tamin’iny alina iny ka napetrany teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Dia nanao araka izay nandidian’i Josoa azy ny olona voatendry ka naka vato 12 teo afovoan’i Jôrdàna, araka izay nolazain’ny TOMPO tamin’i Josoa sy araka ny isan’ny foko israelita. Ireo vato ireo dia nentiny niaraka taminy ho eo amin’ny toerana izay nitobiany tamin’iny alina iny ka napetrany teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Notanterahin’ny zanak’i Israely ny didin’i Jôsoe, dia naka vato roa ambin’ny folo teo afovoan’i Jordany, araka ny isan’ny fokon’i Israely, nentiny teo amin’ny fitoerana tsy maintsy handriany amin’ny alina dia napetrany teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely araka izay nandidian'i Josoa ka naka vato roa ambin'ny folo teo afovoan'i Jordana, araka izay nolazain'i Jehovah tamin'i Josoa, araka ny isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ka nentiny nita niaraka taminy ho eo amin'izay nitobiany ka napetrany teo.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 4:8
6 Rohy Ifampitohizana  

Ary dia nandeha ny Zanak’Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy sy Arona no nataony.


Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon’i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin’ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin’ny folo, araka ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo.


Ary ireny vato roa ambin’ny folo nalainy teo Jordana ireny dia natsangan’i Josoa tany Gilgala.


Ary vato roa ambin’ny folo no natsangan’i Josoa teo Jordana, teo amin’ilay nijoroan’ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka andro-any.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra