Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 4:7 - Baiboly Protestanta Malagasy

7 dia holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan’ny fiaran’ny faneken’i Jehovah; fa raha nita an’i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an’ny Zanak’Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Dia holazainareo aminy hoe: Tapaka teo anoloan’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO ny ranon’i Jordana; eny, tamin’ny nitan’ny vata misy ny Fanekena an’i Jordana dia tapaka ny rano; ary ho fahatsiarovana mandrakizay ho an’ny Zanak’Israely ireo vato ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 dia hamaly hoe: «Tapaka ny ranon’i Jôrdàna noho ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO. Eny raha nita an’i Jôrdàna ny Vatamasina; dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia hahatsiarovana mandrakizay izany zava-mahagaga izany eo amin’ny Israelita.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 dia hamaly hoe: «Tapaka ny ranon’i Jôrdàna noho ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO. Eny raha nita an’i Jôrdàna ny Vatamasina; dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia hahatsiarovana mandrakizay izany zava-mahagaga izany eo amin’ny Israelita.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 dia valio hoe: Tapaka teo anoloan’ny fiaran’ny faneken’i Iaveh ny ranon’i Jordany, fa nony nita an’i Jordany ny fiara dia tapaka ny ranon’i Jordany; ka fahatsiarovana mandrakizay ho an’ny zanak’i Israely ireto vato ireto.»

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 dia holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah; fa raha nita an'i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 4:7
11 Rohy Ifampitohizana  

Manao izay hahatsiarovana ny fahagagana ataony Izy; Miantra sy mamindra fo Jehovah.


Ary izany andro izany dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’i Jehovah; hatramin’ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany ho andro firavoravoana, ho lalàna mandrakizay.


Ary ataovy eo amin’ny soroky ny efoda ny vato roa, ho vato fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Isiraely; ary Arona hitondra ireo anarany ireo eo anatrehan’i Jehovah amin’ny sorony roa ho fahatsiarovana.


Ary handray ny vola avotra amin’ny Zanak’Isiraely hianao, ka hataonao amin’ny fanompoana ao amin’ny trano-lay fihaonana; ary ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Isiraely eo anatrehan’i Jehovah izany, ho avotry ny ainareo.


Izay mamono omby dia hoatra ny mamono olona; Izay mamono ondry hatao fanatitra dia hoatra ny mamolaka ny vozon’alika; Izay manatitra fanatitra hohanina dia hoatra ny manatitra ran-kisoa; Izay mandoro ditin-kazo mani-pofona ho fanati-pahatsiarovana dia hoatra ny misaotra ny sampy. Eny, tahaka ny nifidianan’ireny ny halehany Sy ny nifalian’ny fanahiny tamin’ny fahavetavetany,


ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Isiraely, mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak’i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’i Jehovah; fandrao ho tahaka an’i Kora sy ny namany izy,–dia araka ny tenin’i Jehovah izay nampitondrainy an’i Mosesy.


ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.


Aza ny mofo misy masirasira no haninao aminy; hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, dia mofom-pahoriana–fa tampoka no nivoahanao avy tany amin’ny tany Egypta–mba hotsarovanao amin’ny andro rehetra hiainanao ny andro izay nivoahanao avy tany amin’ ny tany Egypta.


mba ho famantarana eo aminareo izany, raha manontany ny zanakareo amin’ny andro ho avy manao hoe: Inona no ataonareo ho anton’ireo vato ireo?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra