Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 4:5 - Baiboly Protestanta Malagasy

5 ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan’ny fiaran’i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan’i Jordana, ka samia manainga vato iray avy ho eny an-tsorony hianareo rehetra, araka ny isan’ny firenen’ny Zanak’Isiraely,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan’ny vata misy NY TOMPO Andriamanitrareo ho eo afovoan’i Jordana, koa samia maka sy milanja vato iray eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan’ny fokon’ny Zanak’Israely,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 ka nilazany hoe: –Mandalova eo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitrareo, dia mandehana eo afovoan’i Jôrdàna ka samia manainga vato iray ho eny an-tsorony, araka ny isan’ireo foko israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 ka nilazany hoe: –Mandalova eo anoloan’ny Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitrareo, dia mandehana eo afovoan’i Jôrdàna ka samia manainga vato iray ho eny an-tsorony, araka ny isan’ireo foko israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 ka nilazany hoe: «Mandehana eo alohan’ny fiaran’i Iaveh Andriamanitrareo, eo afovoan’i Jordany, ka samia maka vato iray avy, hatao an-tsoroka, araka ny isan’ny fokon’ny zanak’i Israely,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan'ny fiaran'i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan'i Jordana, ka samia manainga vato iray avy ho eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely,

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 4:5
7 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy Jakoba tamin’ireo havany: Manangòna vato; dia naka vato izy, ka nataony antontany; ary dia nihinana teo anilan’ny antontam-bato izy rehetra.


Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon’i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin’ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin’ny folo, araka ny firenen’Isiraely roa ambin’ny folo.


Ary amin’ny andro izay hitànareo an’i Jordana ho any amin’ny tany izay omen’i Jehovah Andriamanitrao anao, dia manangàna vato lehibe ho anao, ka lalory sokay;


MIHAINOA, ry Isiraely ô: hianao izao dia efa hita an’i Jordana hiditra eo amin’ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho hianao, sy hahafaka tanàna lehibe izay misy mànda manakatra ny lanitra,


Ary raha tonga teo amoron’i Jordana eo amin’ny tany Kanana ny taranak’i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen’i Manase, dia nanorina alitara teo izy, ary lehibe ny fiijery izany alitara izany.


Dia nantsoin’i Josoa ny lehilahy roa ambin’ny folo, izay nofidiny tamin’ny Zanak’Isiraely, dia iray avy isam-pirenena,


mba ho famantarana eo aminareo izany, raha manontany ny zanakareo amin’ny andro ho avy manao hoe: Inona no ataonareo ho anton’ireo vato ireo?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra