Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 4:12 - Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny firenen’i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan’ny Zanak’Isiraely koa, araka izay efa nolazain’i Mosesy taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan’ny Zanak’Israely koa, araka izay efa nolazain’i Mosesy taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Ireo lehilahy mirongo fiadiana, avy amin’ny fokon’i Reobena sy fokon’i Gada ary antsasa-pokon’i Manase, dia nita teo alohan’ny Israelita sisa hafa, araka izay efa nolazain’i Mosesy taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ireo lehilahy mirongo fiadiana, avy amin’ny fokon’i Reobena sy fokon’i Gada ary antsasa-pokon’i Manase, dia nita teo alohan’ny Israelita sisa hafa, araka izay efa nolazain’i Mosesy taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Ary nandroso samy nitam-piadiana teo alohan’ny zanak’i Israely, araka ny tenin’i Môizy taminy, ny tarana-dRobena sy ny taranak’i Gada, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary ny taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan'ny Zanak'Isiraely koa, araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 4:12
9 Rohy Ifampitohizana  

Fa nentin’Andriamanitra nivily ho amin’ny làlana mahazo any an-efitra amoron’ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak’Isiraely avy tany amin’ny tany Egypta.


Ary tamin’ny taranak’i Gada araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalfea hanafika,–


fa ny tenanay dia hiomana faingana handroso eo alohan’ny Zanak’Isiraely mandra-pitondranay azy ho any amin’ny taniny; ary ny zanakay madinika dia hitoetra amin’ny tanàna mimanda noho ny mponina amin’ny tany.


Ary nandidy anareo tamin’izany andro izany aho ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitrareo efa nanome anareo ity tany ity ho lovanareo; andeha mita eo alohan’ny Zanak’Isiraely rahalahinareo hianareo rehetra izay mahery, samy efa voaomana hiady.


Nizaha izay tsara indrindra ho an’ny tenany izy, Fa teo ny anjaran’ny mpanao lalàna no efa voatokana. Niaraka tamin’ny lohan’ny firenena izy, Ary araka ny fahamarinan’i Jehovah ny nataony, Sy araka ny fitsipiny izay iombonany amin’ny Isiraely.


Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin’ny tany izay nomen’i Mosesy anareo etỳ an-dafin’i Jordana; fa hianareo lehilahy mahery rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan’ny rahalahinareo hanampy azy,


Ary rehefa tafita avokoa ny olona rehetra, dia nita koa ny fiaran’i Jehovah sy ireo mpisorona teo anoloan’ ny olona.


Tokony ho lehilahy efatra alina efa voaomana hiady no nita teo anatrehan’i Jehovah hanafika, ho eo amin’ny tani-hay any Jeriko.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra