Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 4:10 - Baiboly Protestanta Malagasy

10 Fa ny mpisorona izay nitondra ny fiara nijanona teo afovoan’i Jordana mandra-pahavitan’ny zavatra rehetra izay nandidian’i Jehovah an’i Josoa holazaina amin’ny olona, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy an’i Josoa; dia nita faingana ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Nijanona teo afovoan’i Jordana ny mpisorona izay nitondra ny vata misy ny Fanekena, mandra-pahavitan’ny zavatra rehetra izay nandidian’NY TOMPO an’i Josoa holazaina amin’ny olona, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy an’i Josoa; avy eo vao nita haingana ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

10 Ny mpisorona nitondra ny Vatamasina kosa dia nijoro teo afovoan’i Jôrdàna ambara-pahatanteraky ny teny rehetra izay nodidian’ny TOMPO holazain’i Josoa amin’ny vahoaka, araka izay rehetra efa nandidian’i Mosesy an’i Josoa. Dia nita faingana ny vahoaka;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Ny mpisorona nitondra ny Vatamasina kosa dia nijoro teo afovoan’i Jôrdàna ambara-pahatanteraky ny teny rehetra izay nodidian’ny TOMPO holazain’i Josoa amin’ny vahoaka, araka izay rehetra efa nandidian’i Mosesy an’i Josoa. Dia nita faingana ny vahoaka;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Nijanona teo afovoan’i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiara, mandra-pahatanteraky ny zavatra nasain’i Iaveh nolazain’i Jôsoe tamin’ny vahoaka, araka izay rehetra nandidian’i Môizy an’i Jôsoe; dia nita faingana ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Fa ny mpisorona izay nitondra ny fiara nijanona teo afovoan'i Jordana mandra-pahavitan'ny zavatra rehetra izay nandidian'i Jehovah an'i Josoa holazaina amin'ny olona, araka izay rehetra nandidian'i Mosesy an'i Josoa; dia nita faingana ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 4:10
14 Rohy Ifampitohizana  

Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra, Amin’ny fitandremana ny didinao.


Dia nanendy mofo tsy nisy masirasira tamin’ny koba voalena izay nentiny avy tany Egypta izy: fa tsy mbola voaisy masirasira izany, satria noroahina tany Egypta izy ka tsy nahazo nijanona sady tsy nahafehy vatsy ho azy.


Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso hianao; Fa na dia ny havoaky ny anio aza tsy fantatrao.


Izay rehetra azon’ny tànanao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena, any amin’ny fiainan-tsi-hita izay alehanao.


Dia izao no lazain’i Jehovah Tompo: Indro, Izaho no efa nametraka vato ao Ziona, Dia vato voazaha toetra, vato tsara izay fehizoro voaorina ho fanorenana mafy, Ka tsy mba ho taitra izay mino.


Fa hoy Izy: ,,Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, Ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko anao’’ (Isa. 49.8); indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena;


Dia nosoratan’i Mosesy izany lalàna izany ka natolony ireo mpisorona, taranak’i Levy, izay mpitondra ny fiaran’ny faneken’i Jehovah, sy ny loholon’ny Isiraely rehetra.


Ary nita an’i Jordana hianareo ka nankany Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao Jeriko mbamin’ny Amorita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ka natolotro teo an-tànanareo ireny.


ary raha vao mijanona eo amin’ny rano Jordana ny faladian’ny mpisorona izay mitondra ny fiaran’ny faneken’i Jehovah, Tompon’ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano Jordana, dia ny rano izay midina avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra.


Ary rehefa tafita avokoa ny olona rehetra, dia nita koa ny fiaran’i Jehovah sy ireo mpisorona teo anoloan’ ny olona.


Ary vato roa ambin’ny folo no natsangan’i Josoa teo Jordana, teo amin’ilay nijoroan’ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka andro-any.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra