Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 3:8 - Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran’ny fanekena, ka ataovy hoe: Rehefa mihatra amin’ny moron’i Jordana hianareo, dia mijanòna eo Jordana ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary mandidia ny mpisorona izay mitondra ny vata misy ny Fanekena hoe: Rehefa tody eo amin’ny moron’ny ranon’i Jordana ianareo dia mijanòna ihany eo amin’ny Jordana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Ianao kosa mandidia ireo mpisorona mitondra ny Vatamasina mba hijanona ao anaty ranon’i Jôrdàna raha vao tafaroboka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Ianao kosa mandidia ireo mpisorona mitondra ny Vatamasina mba hijanona ao anaty ranon’i Jôrdàna raha vao tafaroboka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Ary ianao dia manomeza izao didy izao amin’ny mpisorona mitondra ny fiaran’ny fanekena: Rehefa tonga eo amoron’ny ranon’i Jordany ianareo, dia mijanona ao anatin’i Jordany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny fanekena, ka ataovy hoe: Rehefa mihatra amin'ny moron'i Jordana ianareo, dia mijanòna eo Jordana ihany.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 3:8
20 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy Elia taminy: Masìna hianao, mijanòna eto; fa Jehovah efa naniraka ahy ho any Jordana. Fa hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, tsy handao anao mihitsy aho. Ary dia lasa nandeha izy roa lahy.


Ary namory ny rahalahiny izy, ka dia samy nanamasina ny tenany avy, dia tonga araka ny didin’ny mpanjaka noho ny tenin’i Jehovah mba hanadio ny tranon’i Jehovah.


Ary nasain’i Hezekia naterina teo ambonin’ny alitara ny fanatitra dorana; ary raha vao natomboka ny nanaterana ny fanatitra dorana, dia natomboka koa ny fihirana ho an’i Jehovah sy ny fitsofana ny trompetra ka notarihin’ny zava-manenon’i Davida, mpanjakan’ny Isiraely.


Ary Hezekia mpanjaka sy ny mpanapaka nampihira ny Levita hidera an’i Jehovah tamin’ny teny namboarin’i Davida sy Asafa mpahita. Ary nihira fiderana tamin’ny hafaliana izy, dia niondrika sy niankohoka.


Ary ny tànan’Andriamanitra dia napetrany tamin’ny Joda koa mba hanome azy fo iray hankatò ny didin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka noho ny tenin’i Jehovah.


Ary ny Levita dia nasaiko nanadio ny tenany ka ho avy hiambina eo am-bavahady, mba hanamasinany ny andro Sabata. Tsarovy aho noho izany koa, ry Andriamanitro ô, ary iantrao aho araka ny haben’ny famindramponao.


Ary vinanton’i Sanbala Horonita ny anankiray tamin’ny zanak’i Joiada, zanak’i Eliasiba, mpisoronabe, ka dia noroahiko niala teo amiko izy.


Ary hoy Mosesy tamin’ny olona: Aza matahotra hianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.


Tsara ny miandry ny famonjen’i Jehovah amin’ny fanginana.


Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ny faneken’i Jehovah dia nijoro tsara tamin’ny tany maina teo afovoan’i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin’ny tany maina mandra-pahatafitan’izy rehetra an’i Jordana.


ka nandidy ny olona hoe: Rehefa hitanareo ny fiaran’ny faneken’i Jehovah Andriamanitrareo ary ny Levita mpisorona mitondra azy, dia mialà amin’ izay itoeranareo, ka manaraha azy


Ary hoy Jehovah tamin’i Josoa: Anio no hanandratako anao eo imason’ny Isiraely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an’i Mosesy no hombako anao koa.


Ary Josoa nanao tamin’ny Zanak’Isiraely hoe: Mankanesa atỳ, ka mihainoa ny tenin’i Jehovah Andriamanitrareo.


Ary rehefa tafita avokoa ny olona rehetra, dia nita koa ny fiaran’i Jehovah sy ireo mpisorona teo anoloan’ ny olona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra