Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 3:7 - Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary hoy Jehovah tamin’i Josoa: Anio no hanandratako anao eo imason’ny Isiraely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an’i Mosesy no hombako anao koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Anio Aho no hanomboka hanandratra anao eo imason’ny Israely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an’i Mosesy no hombako anao koa.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Ary hoy ny TOMPO tamin’i Josoa hoe: –Anio no hanamafisako ny fahefànao eo imason’ny Israelita rehetra mba hahafantarany fa tahaka izay nombàko an’i Mosesy no hombako anao koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ary hoy ny TOMPO tamin’i Josoa hoe: –Anio no hanamafisako ny fahefànao eo imason’ny Israelita rehetra mba hahafantarany fa tahaka izay nombàko an’i Mosesy no hombako anao koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Indro aho hanomboka hanandratra anao eo imason’i Israely rehetra mba ho fantany fa toy ny nombako an’i Môizy no ombako anao koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Anio no hanandratako anao eo imason'ny Isiraely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 3:7
13 Rohy Ifampitohizana  

Ary Jehovah nanandratra an’i Solomona indrindra teo imason’ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin’ny Isiraely.


ARY Solomona, zanak’i Davida, dia nitombo hery tamin’ny fanjakany, ary Jehovah Andriamaniny nomba azy ka nanandratra azy indrindra.


Inona moa ny zanak’olombelona, no ekenao ho lehibe, Ka ampandinihinao azy ny fonao,


Omenao ahy ny ampingan’ny famonjenao; Ny tànanao ankavanana no manohana ahy, Ary ny fahamoram-panahinao no maha-lehibe ahy.


REHEFA nolazain’i Jesosy izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin’ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan’ny Zanaka Anao.


araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin’inona na amin’inona; fa amin’ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin’ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an’i Kristy ao amin’ny tenako, na amin’ny fiainana, na amin’ny fahafatesana.


Araka ny nihainoanay an’i Mosesy tamin’ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an’i Mosesy.


Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an’i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.


Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao.


Ary niteny tamin’ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Ento ny fiaran’ny fanekena, ka mità eo anoloan’ny olona. Dia nitondra ny fiaran’ny fanekena izy ka nandeha teo anoloan’ny olona.


Ary mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran’ny fanekena, ka ataovy hoe: Rehefa mihatra amin’ny moron’i Jordana hianareo, dia mijanòna eo Jordana ihany.


Tamin’izany andro izany no nanandratan’i Jehovah an’i Josoa teo imason’ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an’i Mosesy, tamin’ny andro rehetra niainany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra