Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 23:3 - Baiboly Protestanta Malagasy

3 ary hianareo efa nahita izay rehetra nataon’i Jehovah Andriamanitrareo tamin’ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 ary ianareo dia efa nahita izay rehetra nataon’NY TOMPO Andriamanitrareo tamin’ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa NY TOMPO Andriamanitrareo no niady ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Hitanareo avokoa izay nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo tamin’ireo firenena rehetra teo anoloanareo, fa ny TOMPO Andriamanitrareo mihitsy no niady ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Hitanareo avokoa izay nataon’ny TOMPO Andriamanitrareo tamin’ireo firenena rehetra teo anoloanareo, fa ny TOMPO Andriamanitrareo mihitsy no niady ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Efa hitanareo izay rehetra nataon’i Iaveh Andriamanitrareo tamin’ny firenena rehetra teo anoloanareo, fa i Iaveh Andriamanitrareo no niady ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 ary ianareo efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa Jehovah Andriamanitrareo no niady ho anareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 23:3
13 Rohy Ifampitohizana  

Jehovah hiady ho anareo, fa hianareo kosa hangina.


Hianareo efa nahita izay nataoko tamin’ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin’ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko.


Nony nitondra azy ho any amin’ny tany izay nananganako tànana homena azy Aho, dia nahita ny havoana andrandraina rehetra sy ny hazo misandrahaka rehetra izy, ka tao no namonoany zavatra hatao fanatitra, ary tao koa no nametrahany ny fanatiny mahatezitra; tao koa no nanaterany hanitra ankasitrahana, ary tao no nanidinany ny fanatitra aidiny.


Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny hianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe any an-koatry ny tanin’ny Isiraely.


Jehovah Andriamanitrareo, Izay mandeha eo anoloanareo, Izy no hiady ho anareo, araka izay rehetra nataony ho anareo tany Egypta teo imasonareo,


fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin’ny fahavalonareo mba hamonjy anareo.


Kanefa kosa mitandrema hianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan’ny masonao, ary andrao miala amin’ny fonao izany, amin’ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany,


Raha hianao hanao anakampo hoe: Maro noho izaho ireo firenena ireo, ka hataoko ahoana no fahay mandroaka azy?


Dia hatolony eo an-tànanao tsy ho re intsony atỳ ambanin’ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao, fa haringanao avokoa izy mandra-pahalaniny.


Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan’i Jehovah ny feon’olona; fa Jehovah niady ho an’ny Isiraely.


Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon’i Josoa indray mandeha, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no niady ho an’ny Isiraely.


Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra