Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 21:2 - Baiboly Protestanta Malagasy

2 ka niteny taminy tao Silo tao amin’ny tany Kanana hoe: Jehovah efa nampandidy an’i Mosesy mba homena tanàna hitoerana izahay sy tany manodidina azy ho an’ny biby fiompinay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 ka niteny taminy tao Silo tao amin’ny tany Kanana hoe: NY TOMPO efa nampandidy an’i Mosesy mba homena tanàna hitoerana sy tany manodidina azy ho an’ny biby fiompinay izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 tao Silao, tao amin’ny tany Kanahàna, no nihaonana ka hoy ireo filoham-pianakaviana levita hoe: –Ny TOMPO efa nanome baiko tamin’ny alalan’i Mosesy mba homena tanàna maromaro honenanay izahay, ary koa homena ny kijàna manodidina azy avy ho an’ny biby fiompinay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 tao Silao, tao amin’ny tany Kanahàna, no nihaonana ka hoy ireo filoham-pianakaviana levita hoe: –Ny TOMPO efa nanome baiko tamin’ny alalan’i Mosesy mba homena tanàna maromaro honenanay izahay, ary koa homena ny kijàna manodidina azy avy ho an’ny biby fiompinay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 ka niteny tamin’izy ireo, tao Silô, amin’ny tany Kanaana, nanao hoe: «Didy nomen’i Iaveh an’i Môizy ny hanomezana tanàna honenanay sy ny tany manodidina azy ho an’ny bibinay.»

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 ka niteny taminy tao Silo tao amin'ny tany Kanana hoe: Jehovah efa nampandidy an'i Mosesy mba homena tanàna hitoerana izahay sy tany manodidina azy ho an'ny biby fiompinay.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 21:2
9 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa ny amin’ny tanànan’ny Levita, ny trano ao amin’ny tanàna izay ho anjarany dia ho azon’ny Levita avotana ihany na oviana na oviana.


na kitapom-batsy ho amin’izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny.


Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa ho an’izay mampianatra.


Araka izay efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nataon’ny Zanak’Isiraely, ka dia nizara ny tany izy.


DIA nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, ka nanangana ny trano-lay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.


Dia avy tamin’ny lovany no nanomezan’ny Zanak’Isiraely ny Levita izao tanàna izao sy ny tany manodidina azy avy araka ny didin’i Jehovah.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra