Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 2:9 - Baiboly Protestanta Malagasy

9 ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen’i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin’ny tany noho ny tahotra anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 ka niteny taminy hoe: Fantatro fa efa nomen’NY TOMPO anareo ny tany, koa efa mahazo anay ny tahotra anareo sady ketraka ny mponina rehetra amin’ny tany noho ny tahotra anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 ka niteny taminy hoe: –Fantatro fa efa nomen’ny TOMPO anareo ity tany misy anay ity ka ny mponina rehetra dia raiki-tahotra anareo sady rera-po eo anoloanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 ka niteny taminy hoe: –Fantatro fa efa nomen’ny TOMPO anareo ity tany misy anay ity ka ny mponina rehetra dia raiki-tahotra anareo sady rera-po eo anoloanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 «Fantatro fa efa nomen’i Iaveh anareo ity tany ity, satria izahay efa raiki-tahotra ny anaranareo; ny mponina rehetra amin’ity tany ity efa ketraka eo anoloanareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen'i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra anareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 2:9
39 Rohy Ifampitohizana  

Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin’Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak’i Jakoba izy.


ary na dia izay mahery ka manana fo tahaka ny fon’ny liona aza dia ho ketraka tokoa; fa fantatry ny Isiraely rehetra fa lehilahy mahery rainao, sady lehilahy mahery koa ireny manaraka azy ireny.


Ary niverina nankao amin’ny lehilahin’Andriamanitra izy mbamin’izay rehetra nanaraka azy, dia tonga tao ary nitsangana teo anatrehany ka nanao hoe: Indro, fantatro fa tsy misy Andriamanitra amin’ny tany rehetra, afa-tsy ato amin’ny Isiraely ihany; koa masìna hianao, raiso ny saotra aterin’ny mpanomponao.


Fa Jehovah efa nampandre ny miaramilan’ny Syriana ny fikodiadian-kalesy sy ny fandehan’ny soavaly, dia ny firodondrodon’ny miaramila be; ary niresaka hoe izy: Injao, fa ny mpanjakan’ny Isiraely efa nanamby ny mpanjakan’ny Hetita sy ny mpanjakan’ny Egyptiana hiady amintsika.


Ary rehefa ren’ny fahavalonay rehetra izany, dia raiki-tahotra ny firenena rehetra manodidina anay, sady hitany fa tsinontsinona izy; ary fantany fa Andriamanitray no nahavitana izany asa izany.


Ary teo amin’ny isan-tokony eran’ny fanjakana sy teny an-tanàna rehetra izay nahatongavan’ny didin’ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.


Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, Ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy.


Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian’ny ratsy fanahy.


Ny lanitra dia an’i Jehovah; Fa ny tany nomeny ho an’ny zanak’olombelona.


Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin’izay zavatra nentin’ny Egyptiana nirehareha tamin’ireny.


Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho.


Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’izay matahotra an’Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany.


FAMINANIANA ny amin’ny loza hanjo an’i Egypta: Indro, Jehovah mitaingina rahona miriotra mafy ka mankany Egypta; Ary ny andriamani-tsi-izy any Egypta dia mangorohoro eo anatrehany, Ary ny fon’i Egypta dia ketraka ao anatiny.


Rehefa re tany Egypta izany, Dia toran-kovitra izy noho ny nanjo an’i Tyro.


Izaho no nanao ny tany sy ny olona ary ny biby izay eo aminy tamin’ny heriko lehibe sy tamin’ny sandriko nahinjitra; ary efa nomeko ho an’izay sitraky ny foko ny tany.


Mamaboa volafotsy, Mamaboa volamena! Fa tsy hita lany ny rakitra soa, Dia ny habetsahan’ny fanaka mahafinaritra rehetra.


ARY Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin’ny mpanjakan’i Edoma hanao hoe: Izao no lazain’ny Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay:


Arona hangonina any amin’ny razany; fa tsy hiditra any amin’ny tany izay nomeko ny Zanak’Isiraely izy, satria nandà ny teniko teo amin’ny ranon’i Meriba hianareo.


Tsy mahazo manao izay tiako amin’ny ahy va aho? Ratsy va ny masonao, satria tsara aho?


Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon’i Jehovah Andriamanitrareo ho azon’ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.


Anio no vao hataoko mahazo ny firenena ambanin’ny lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra anareo, ka raha reny ny lazanao, dia hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao izy.


Dia ho hitan’ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa ny anaran’i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.


Fony nomen’ny Avo Indrindra zara-tany ny jentilisa, Ka samy natokantokany ny zanak’olombelona, Dia notendreny ny fari-tanin’ireo firenena Araka ny isan’ny Zanak’Isiraely.


Finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin’ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany tamin’ny fihavanana izy.


Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany.


ka hoy izy tamin’i Josoa: Efa natolotr’i Jehovah eo an-tànantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin’ny tany noho ny tahotra antsika.


Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampon-trano ravehivavy


Ary ny mpanjaka rehetra amin’ny Amorita any an-dafy andrefan’i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin’ny Kananita any amoron’ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan’i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan’ny Zanak’Isiraely mandra-pitany, dia ketraka ny fony, ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak’Isiraely.


Ary hoy Jehovah tamin’i Josoa: Indro, efa natolotro eo an-tànanao Jeriko sy ny mpanjakany mbamin’ny lehilahy mahery.


ary izay rehetra nataony tamin’ny mpanjaka roa tamin’ny Amorita, izay tany an-dafin’i Jordana, dia Sihona, mpanjakan’i Hesbona, sy Oga, mpanjakan’i Basana, izay tany Astarta.


Dia namaly an’i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an’i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin’ny tany eo anoloanareo, ary natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany;


Dia hoy izy ireo taminy: Avy tany an-tany lavitra indrindra izahay mpanomponao noho ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao; fa efa renay ny lazany sy izay rehetra nataony tany Egypta


Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr’i Gideona, zanak’i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr’Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra