Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 2:7 - Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin’ny làlana mankany Jordana hatrany amin’ny fitana; ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin’ny lalana mankany Jordana hatrany amin’ny fitàna. Ary rehefa lasa nandeha izay nanenjika azy dia nohidina ny vavahady.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Dia niainga ireo iraky ny mpanjaka hanenjika ny mpitsikilo teny an-dalàna mankany Jôrdàna ka hatrany amin’ny fitàna. Ary raha vao lasa ireto mpanenjika, dia nohidiana ny vavahady.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Dia niainga ireo iraky ny mpanjaka hanenjika ny mpitsikilo teny an-dalàna mankany Jôrdàna ka hatrany amin’ny fitàna. Ary raha vao lasa ireto mpanenjika, dia nohidiana ny vavahady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Nanenjika azy ireo olona nihazo ny lalana mankany amin’ny fitàna an’i Jordany, ary vao tafavoaka ireny mpanenjika ireny dia nohidiana ny vavahady.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin'ny lalana mankany Jordana hatrany amin'ny fitàna; ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 2:7
6 Rohy Ifampitohizana  

Ny trano-maizina dia hitanay mihidy tsara, ary ny mpiambina mitsangana eo am-baravarana; kanefa nony novohanay, dia tsy nahita olona tao izahay.


ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo.


Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin’ ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin’ny tampon-trano.


Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampon-trano ravehivavy


Dia novonjen’ny Gileada ny fitana any Jordana mankany amin’ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin’ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy amin’ny Gileada taminy: Efraimita va hianao? ary raha hoy izy: Tsia,


Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr’i Jehovah eo an-tànanareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitana any Jordana hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra