Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 2:12 - Baiboly Protestanta Malagasy

12 Koa ankehitriny, masìna hianareo, mba ianiano amin’i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin’ny ankohonan’ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Koa ankehitriny, miangavy anareo aho, mba ianiano amin’NY TOMPO, fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin’ny ankohonan’ny raiko kosa, koa omeo famantarana azo antoka aho

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Ary ankehitriny, aoka hianiananareo amin’ny Tompo aho fa hamindranareo fo ny fianakaviako tahaka izay namindrako fo taminareo: koa mba omeo famantarana azo antoka aho

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ary ankehitriny, aoka hianiananareo amin’ny Tompo aho fa hamindranareo fo ny fianakaviako tahaka izay namindrako fo taminareo: koa mba omeo famantarana azo antoka aho

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Koa ankehitriny, mihanta aminareo aho, mba hianiana amin’i Iaveh ianareo, fa toy ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin’ny ankohonan’ny raiko koa; ary omeo famantarana mahatoky aho,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Koa ankehitriny, masìna ianareo, mba ianiano amin'i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin'ny ankohonan'ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 2:12
24 Rohy Ifampitohizana  

koa ankehitriny, ianiano amin’Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako hianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin’ny tany izay ivahinianao.


fa hampianianiko amin’i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, hianao, fa tsy haka vady ho an’ny zanako avy amin’ny zanakavavin’ny Kananita izay iraisako monina hianao;


Ary nataon’ilay mpanompo tambanin’ny fen’i Abrahama tompony ny tànany, ka nianiana taminy ny amin’izany zavatra izany izy.


Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa hianao, ka trarantitra hianao, iantrao aho, dia lazao amin’i Farao aho, ka avoahy amin’ity trano ity;


Ary nikomy tamin’i Nebokadnezara mpanjaka izay efa nampianiana azy tamin’Andriamanitra koa izy; ary nanamafy ny hatony sy nanasarotra ny fony izy mba tsy hiverina ho amin’Andriamanitry ny Isiraely.


fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako?


Ary ny ra dia ho famantarana ho anareo eo amin’ny trano izay itoeranareo; ary raha mahita ny ra Aho, dia handalo anareo, ka tsy hisy loza handringana anareo, raha mamely ny tany Egypta Aho.


Koa raha mba gianatra ny fanaon’ny oloko tokoa ireo Ka hianiana amin’ny anarako hoe: ,Raha velona koa Jehovah,’ Tahaka ny nampianaran’ireo ny oloko hianiana amin’i Bala, Dia haorina ao amin’ny oloko izy;


Ary ilay hamadika Azy efa nanome famantarana ireo ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento, fa aza avela ho afaka.


tsy manam-pahalalana, tsy mitana fanekena, tsy manam-pitiavana, tsy miantra;


Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.


Fa fitsarana tsy misy famindrampo no ho anjaran’izay tsy mamindra fo; ary ny famindrampo kosa dia faly, fa tsy mba matahotra ny fitsarana.


fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty hianareo.


Indro, rehefa tonga eto amin’ny tany izahay, dia hafehinao eo amin’ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin’ny ankohonan’ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao;


ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran’ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny rany, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny rany, raha tàhiny misy olona maninona azy akory;


Ary izy roa lahy izay efa nisafo ny tany dia efa nilazan’i Josoa hoe: Mankanesa ao amin’ny tranon’ilay vehivavy janga, ka ento mivoaka ravehivavy sy ny havany rehetra ary izay mety ho azy, araka izay nianiananareo taminy.


Ary Josoa dia nanao fihavanana taminy ka nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy; ary ny lohan’ny fiangonana koa dia nianiana taminy.


ary nahita lehilahy anankiray nivoaka avy tao an-tanàna ny mpisafo ka nanao taminy hoe: Mba atoroy kely anay ny fidirana mankao an-tanàna, dia hamindra fo aminao izahay.


Ary hoy Davida taminy: Hitondra ahy midina ho amin’izany jirika izany va hianao? Ary hoy izy: Mianiàna amiko amin’Andriamanitra fa tsy hamono ahy hianao na hanolotra ahy ho eo an-tànan’ny tompoko, dia hitondra anao midina ho amin’izany jirika izany aho.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra