Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 12:3 - Baiboly Protestanta Malagasy

3 ary ny ilany atsinanan’ny tani-hay hatramin’ny Ranomasina Kinerota ka hatramin’ny ranomasina amin’ny tani-hay, dia ny Ranomasintsira, amin’ny làlana mankany Beti-jesimota, ary hatramin’ny tany atsimo eo am-bodin’i Pisga.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 ary ny ilany atsinanan’ny tany ngazana hatreo amin’ny ranomasina Kinerota ka hatramin’ny ranomasina Arabà, ny Ranomasintsira, amin’ny lalana mankany Bety-Jesimota, ary hatrany amin’ny tany atsimo eo amin’ny sisin’i Pisga.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 azy koa ny lohasahan’i Jôrdàna ilay atsinanana, manomboka hatreo amin’ny farihin’i Genesareta any avaratra, ka hatrany amin’ny Ranomasina Maty eo akaikin’i Bety-Jesimôta; ary tao atsimo kokoa dia azy ny faritany eo am-pototry ny havoana Pisgà.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 azy koa ny lohasahan’i Jôrdàna ilay atsinanana, manomboka hatreo amin’ny farihin’i Genesareta any avaratra, ka hatrany amin’ny Ranomasina Maty eo akaikin’i Bety-Jesimôta; ary tao atsimo kokoa dia azy ny faritany eo am-pototry ny havoana Pisgà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 amin’ny Arabaha, hatrany amin’ny ranomasina Kenereta any atsinanana, sy amin’ny ranomasin’ny Arabaha dia ny Ranomasin-tSira any atsinanana, amin’ny lalana mankany Betisimota; ary amin’ny ilany atsimo dia hatrany am-pototry ny kisolosolon’i Fasgà.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 ary ny ilany atsinanan'ny tani-hay hatramin'ny Ranomasina Kinerota ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay, dia ny Ranomasintsira, amin'ny lalana mankany Beti-jesimota, ary hatramin'ny tany atsimo eo am-bodin'i Pisga.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 12:3
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan’i Sidima (dia ny Ranomasintsira izany).


ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-maniry teo amin’ny tany.


Ary Beni-hadada nihaino an’i Asa mpanjaka ka naniraka komandin’ny miaramilany hamely ny tanànan’ny Isiraely; ary namely an’Iona sy Dana sy Abelabeti-maka ary Kinerota rehetra mbamin’ny tanin’ny Naftaly rehetra izy.


Dia, indro, hotatahako kosa ny tanin’ny Moaba, Hatrany amin’ny tanànany rehetra, Izay ravaky ny tany, dia Betijesimota sy Bala-meona ary Kiriataima,


ary nony niala tao Bamota izy, dia nankany an-dohasaha izay ao amin’ny tany Moaba, ao an-tampon’i Pisga, izay manatrika ny efitra.


dia hidina hatrany Sefama ka hatrany Ribla any atsinanan’i Aina, dia mbola hidina ihany koa ka hipaka amin’ny Ranomasin’i Kinereta atsinanana,


ARY raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra, dia nijanona teo amoron’ny Farihin’i Genesareta Jesosy;


REHEFA afaka izany, dia niala Jesosy ka lasa nita ny Ranomasin’i Galilia, dia ny Ranomasin’i Tiberiasy izany.


ary ny tani-hay koa sy Jordana ary ny fari-tany hatrany Kinereta ka hatramin’ny ranomasina amin’ny tani-hay,, dia ny Ranomasin-tsira, eo am-bodin’i Pisga, dia ao atsinanany.


dia ny tani-hay rehetra any an-dafy atsinanan’i Jordana ka hatramin’ny ranomasina amin’ny tani-hay eo am-bodin’i Pisga.


ary ireo mpanjaka tany amin’ny tany havoana any avaratra koa sy tany amin’ny tani-hay atsimon’i Kinerota sy tany amin’ny tany lemaka amoron-tsiraka ary tany amin’ny havoan’i Dora andrefana,


sy Bety-peora sy ny ao am-bodin’i Pisga ary Bety-jesimota


Ary ny fari-taniny atsimo dia hatramin’ny faran’ny Ranomasin-tsira, dia hatramin’ny helo-drano atsimo,


Ary ny fari-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira hatramin’ny faran’i Jordana. Ary ny fari-taniny tamin’ny lafiny avaratra dia hatramin’ny helo-drano eo amin’ny faran’i Jordana,


dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin’ny tanàna Adama, izay eo anilan’i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin’ny ranomasin’ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin’i Jeriko.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra