Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 10:4 - Baiboly Protestanta Malagasy

4 Miakara atỳ amiko, ka manampia ahy, hamelezantsika an’i Gibeona; fa efa nanao fihavanana tamin’i Josoa sy ny Zanak’Isiraely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Miakara atỳ amiko ka manampia ahy, hamelezantsika an’i Gibeona; fa efa nanao fihavanana tamin’i Josoa sy ny Zanak’Israely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 –Miakara hanampy ahy hamely an’i Gibehôna satria ny mponina ao aminy efa nanao fanekempihavanana tamin’i Josoa sy ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 –Miakara hanampy ahy hamely an’i Gibehôna satria ny mponina ao aminy efa nanao fanekempihavanana tamin’i Josoa sy ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 «Miakara atỳ amiko ianareo, avia hanampy ahy hamelezantsika an’i Gabaôna, satria nanao fihavanana tamin’i Jôsoe sy ny zanak’i Israely izy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Miakara atỳ amiko, ka manampia ahy, hamelezantsika an'i Gibeona; fa efa nanao fihavanana tamin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 10:4
15 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.


Raha naman’ izao tontolo izao hianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’ izao tontolo izao hianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao hianareo.


ka dia niantso hoe: Avia, ry lehilahy Isiraely, fa io no lehilahy mampianatra ny olona rehetra ombieniombieny manohitra ny olona Isiraely sy ny lalàna sy ity fitoerana ity, sady nampiditra jentilisa teo an-kianjan’ny tempoly izy ka nandoto ity fitoerana masina ity (


Eny, izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina.


Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’izao tontolo izao, dia fahavalon’Andriamanitra izy.


ARY rehefa ren’i Adoni-zedeka, mpanjakan’i Jerosalema, fa afak’i Josoa Ay ka noravany (fa araka izay nataony tamin’i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin’i Ay sy ny mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin’ny Isiraely ny mponina tany Gibeona ka tomoetra eo aminy,


Dia niangona ireo mpanjaka dimy tamin’ny Amorita ireo, dia ny mpanjakan’i Jerosalema, ny mpanjakan’i Hebrona, ny mpanjakan’i Jarmota, ny mpanjakan’i Lakisy, ary ny mpanjakan’i Eglona, ka niakatra izy sy ny miaramilany rehetra, ary nitoby tandrifin’i Gibeona ka namely azy.


Ary Josoa dia nanao fihavanana taminy ka nanao fanekena taminy mba tsy hamono azy; ary ny lohan’ny fiangonana koa dia nianiana taminy.


ary amin’izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy hianareo amin’izany fanaranam-po amin’ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy;


Fa fanahin’ny demonia ireo ka manao famantarana sady mankany amin’ny mpanjaka amin’izao tontolo izao, mba hanangona azy ho amin’ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha. (


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra