Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Daniela 1:3 - Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary ny mpanjaka nandidy an’i Aspenaza, lehiben’ny tandapany, hitondra ny sasany amin’ny Zanak’Isiraely, dia amin’ny zanak’andriana na amin’ny ambony firazanana,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Nandidy an’i Aspenaza, lehiben’ny tandapany, ny mpanjaka mba hitondra ny sasany amin’ny Zanak’Israely avy amin’ny taranaky ny mpanjaka na avy amin’ny fianakavian’andriana,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Ary i Nebokadnetsara mpanjaka nandidy an’i Aspenaza lehiben’ireo tandapany mba hitondra tovolahy israelita avy amin’ny tarana-mpanjaka sy ny fianakavian’andriana sasany;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Ary i Nebokadnetsara mpanjaka nandidy an’i Aspenaza lehiben’ireo tandapany mba hitondra tovolahy israelita avy amin’ny tarana-mpanjaka sy ny fianakavian’andriana sasany;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Aspenaza, lehiben'ny tandapany, hitondra ny sasany amin'ny Zanak'Isiraely, dia amin'ny zanak'andriana na amin'ny ambony firazanana,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Nandidy an’i Aspenaza, lehiben’ny tandapany, ny mpanjaka mba hitondra ny sasany amin’ny Zanak’Israely avy amin’ny taranaky ny mpanjaka na avy amin’ny fianakavian’andriana,

Jereo ny toko dika mitovy




Daniela 1:3
6 Rohy Ifampitohizana  

Ary nitondra an’i Joiakina koa ho babo any Babylona izy; ary ny renin’ny mpanjaka sy ny vadin’ny mpanjaka sy ny tandapa sy ny lehilahy mahery amin’ny tany dia nentiny ho babo avy tany Jerosalema ho any Babylona.


Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ny razanao ka voatahiry mandraka andro-any; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah.


Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa, ka ho tandonaka any amin’ny lapan’ny mpanjakan’i Babylona ireo.


Ary tamin’ny volana fahafito dia tonga tany amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, tao Mizpa Isimaela, zanak’i Netania, zanak’i Elisama, taranaky ny mpanjaka, sy ny mpanapaky ny mpanjaka; ary nisy folo Iahy niaraka taminy; ary niara-nihinan-kanina tao Mizpa izy.


Hiteraka zazalahy sy zazavavy hianao, nefa tsy ho anao ireny, fa ho lasan-ko babo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra