Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno Tôbita 14:8 - Baiboly Katolika8 Handao ny sampiny ny firenena ka ho avy ao Jerosalema sy honina ao. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara8-9 «Ankehitriny, rey anaka, izao no anafatrafarako anareo: Manompoa an’Andriamanitra amim-pahamarinana ary ataovy izay sitraka eo imasony. Aoka hobaikoinareo ireo zanakareo mba hanao ny rariny sy ny fiantrana; aoka izy hahatsiaro an’Andriamanitra ary hankalaza ny anarany mandrakariva amim-pahamarinana sy amin’ny heriny manontolo. «Ianao kosa, ry Tôbià zanako, aoka handao an’i Ninive fa aza mijanona eto. Rehefa ho faty ka ho voalevinao eo anilako ny reninao, dia aza mijanona intsony ao amin’ny faritr’ity tanàna ity. Hitako manko fa ny fanaovan-dratsy no mihanaka ao aminy; ary tsy misy henatra akory no anaovana fitaka zavon-tany. Jereo ny toko |