Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

Tôbita 14:4 - Baiboly Katolika

4 Lany tamin’ny hafaliana avokoa ny andro sisa rehetra niainany, ary araka ny nandrosoany tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra no nitomboan’ny fiadanana nankafiziny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 ary mandehana faingana mankany Media. Inoako manko ny tenin’Andriamanitra mamely an’i Ninive, teny izay nolazain’i Nahoma: ho tonga avokoa izany ary hihatra amin’i Asiria sy i Ninive. Hihatra tokoa ny zava-drehetra voalazan’ireo mpaminanin’i Israely, dia ireo mpaminany nirahin’Andriamanitra. Tsy misy ho foana na iray aza amin’ireny teny rehetra ireny, fa samy ho tanteraka amin’ny fotoanandrony avy. Koa any Media no azo antoka kokoa noho ny eto Asiria na atsy Babilôna, satria fantatro sy inoako fa ny zava-drehetra nolazain’Andriamanitra dia hianjady sy ho tonga; ary tsy hisy raraka an-tany ny tenin’ireo faminaniana ireo. Ireo mpiray firenena amintsika, izay mbola monina ao Israely, dia haparitaka ary hoentina ho babo lavitr’izany tany soa izany. Ho tonga taniefitra i Israely manontolo; i Samaria sy i Jerosalema kosa dia ho tanàna aolo; ary ny tranon’Andriamanitra dia hodorana sy havela ho rava mandritra ny fotoana voafetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Tôbita 14:4
0 Rohy Ifampitohizana  

Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra