Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Ity boky ity tsy aingam-panahy avy amin'Andriamanitra ary tsy anisan'ny kanônan'ny Kristiana na ny Tanakh an'ny Jiosy. Aseho fotsiny ho amin'ny tanjona ara-tantara sy fianarana. Jereo ny fanazavana feno

Tôbita 14:10 - Baiboly Katolika

10 Koa mihainoa ny rainareo, anaka, manompoa ny Tompo amim-pahamarinana, ary mikeleza aina hanao izay sitrany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Anaka, tsarovy ny fomba nataon’i Nadaba tamin’i Ahikara izay ray nanangana azy: nasain’i Nadaba nazera velona tao an-davaka an-kibon’ny tany izy. Kanefa izany habibiana mahatsiravina izany dia nafotitr’Andriamanitra taminy, teo imason’ilay nosomparany; raha tafavoaka nahita ny mazava i Ahikara, fa niditra ho ao amin’ny haizina mandrakizay kosa i Nadaba izay nitady hamono hahafaty azy. Fatra-panao fiantrana io Ahikara io ka izany no nahatafavoaka azy tamin’ny fandrika mahafaty novelarin’i Nadaba hamelezana azy; ity Nadaba ity kosa no latsaka tao amin’ny fandrika mahafaty novelariny, ka ny tenany ihany no matin’izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Tôbita 14:10
0 Rohy Ifampitohizana  

Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra