Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Salamo 102:1 - Baiboly Katolika

1 Vavaky ny ory, mivesa-pahoriana, sy mandoatra ny fitarainany eo anatrehan’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 TOMPO ô, henoy ny vavaka ataoko ary aoka hankeo Aminao ny fitarainako.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Vavaky ny ory, rehefa trotraka izy ka mamboraka ny tarainany amin’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Vavaky ny ory, rehefa trotraka izy ka mamboraka ny tarainany amin’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Fivavaky ny ory, raha reraka izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan’i Jehovah. JEHOVAH ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Fivavaky ny ory, raha reraka izy ka mandoatra ny alahelony eo anatrehan'i Jehovah. Jehovah ô, henoy ny fivavako, Ary aoka hankeo aminao ny fitarainako.

Jereo ny toko dika mitovy




Salamo 102:1
28 Rohy Ifampitohizana  

Nitsangana ireo mpisorona levitika, dia nitso-drano ny vahoaka, ary voahaino ny feon’izy ireo, ka tafapaka hatrany amin’ny fonenana masin’i Iaveh hatrany an-danitra, ny vavaka nataony.


izay milaza hoe: «Mankahery anay ny lelanay; miandany aminay ny molotray, ka iza indray no ho tomponay?»


Reraka ny fanahiko ato amiko, mitebiteby ny foko ato an-kiboko.


Hafaingano ny valim-bavako, ry Iaveh, fa reraka eo ihany ny fanahiko; aza manafina ny Tavanao amiko, fa manahaka ny efa midina any am-pasana aho.


Manatanteraka ny fanirian’izay matahotra Azy Izy, mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy.


nihodidina tamiko ny fatoran’ny Seoly; ary latsaka teo anatrehako ny fandrika haraton’ny fahafatesana.


Raha faizinao ny olona, ka manasazy azy amin’ny fahadisoany Ianao, dia mandrava izay maminy indrindra, toy ny kalalao Ianao. Eny, tso-drivotra foana ny olombelona. - Selà


Ny ranomasoko no haniko andro aman’alina, dia ny ilazan’ny olona amiko tsy an-kijanona hoe: Aiza izay Andriamanitrao?


Mampandria ny sofinao amin’ny teniko, ry Iaveh, henoy ny sentosentoko.


Andriamanitra ô, henoy ny fitarainako, mihainoa tsara ny fivavahako.


Andriamanitra no iankinan’ny famonjena ahy amam-boninahitro. Amin’Andriamanitra ny vatolampin’ny heriko, ny fialofako.


Mitady ny Tompo, amin’ny andron’ny fahoriako aho; manandra-tanana tsy mety vizana aho, nony alina; lavin’ny fanahiko avokoa ny fampiononana.


Maty tanatin’izany andro maro izany ilay mpanjakan’i Ejipta. Ny zanak’i Israely mbola niferin’aina tamin’ny fanandevozana, ka velon-taraina mafy, ka tafasondrotra hatrany amin’Andriamanitra ny fitarainany noho ny fanandevozana.


Nisarona rahona Ianao, tsy hisy hidiran’ny fivavahana.


Na mitaraina sy miangavy aza aho, tampenany avokoa ny fidiran’ny fivavahako.


Ary nanjary toy ny ra ny hatsembohany sady nipotrapotraka tamin’ny tany.


Tamin’ny andron’ny nofony, nony nanolotra fivavahana sy fifonana nombam-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana Izy sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra,


Sady nariany tokoa ny andriamani-kafa teo aminy, dia nanompo an’i Iaveh izy ireo; koa ny fanahiny tsy nahajery fotsiny intsony ny fahorian’i Israely.


«Rahampitso toy izao dia hirahiko atỳ aminao ny lehilahy iray avy amin’ny tanin’i Benjamina, ary hohosoranao izy ho mpanjakan’i Israely oloko, ary hanafaka ny oloko amin’ny tanan’ny Filistinina izy, satria efa nijery ny oloko Aho, fa efa mby atỳ amiko ny fitarainany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra