Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Romana 7:8 - Baiboly Katolika

8 Dia io didy io no nohararaotin’ny fahotana hampihetsika ny fanirian-dratsy rehetra tato anatiko; satria raha tsy misy Lalàna, dia maty ny fahotana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Io didy io dia noentin’ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota raha tsy misy lalàna.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

8 Saingy nohararaotin’ny fahotana ny didy hampihetsika ny fitsiriritana rehetra ato amiko, fa maty ny fahotana raha tsy misy lalàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Saingy nohararaotin’ny fahotana ny didy hampihetsika ny fitsiriritana rehetra ato amiko, fa maty ny fahotana raha tsy misy lalàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Fa io didy io dia nentin’ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalàna.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Fa io didy io dia nentin'ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalàna.

Jereo ny toko dika mitovy




Romana 7:8
12 Rohy Ifampitohizana  

ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana;


Raha tsy tonga Aho ka tsy niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny tsy manana fialan-tsiny izy amin’ny fahotany.


Raha tsy nataoko teo aminy izay asa tsy nataon’ny olona na iza na iza, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa nahita izy sady efa nankahala Ahy sy ny Raiko.


satria tsy misy olona hohamarinina amin’ny asan’ny Lalàna eo anatrehany, fa ny ahalalana tsara ny ota ihany no nataon’ny Lalàna.


satria ny Lalàna mitarika fahatezerana, fa raha tsy misy Lalàna, dia tsy misy koa fandikan-dalàna.


Ny Lalàna dia nisisika nahabe ny fahadisoana; nefa tao amin’izay nahabe ny fahadisoana indrindra no nihoaran’ny fahasoavana ho ambony lavitra,


satria nohararaotin’ny fahotana hamitaka sy hamono ahy ny didy.


Koa zavatra tsara izany nanjary fahafatesana ho ahy? Sanatria izany! fa ny fahotana no nahafaty ahy tamin’ny zavatra tsara, mba hiharihary ny faharatsiany ka ho tonga mpanota erỳ ny fahotana noho ny didy.


Ary amin’izany dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny fahotana izay mitoetra ato anatiko.


Izaho dia olona tsy nanan-dalàna fahiny; fa nony tonga ny didy, dia nahazo aina ny fahotana,


Fa ny fahotana no fanindronan’ny fahafatesana; ary ny Lalàna no herin’ny fahotana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra