Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Romana 1:13 - Baiboly Katolika

13 Tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry kristianina havana, fa imbetsaka no saika hankany aminareo aho (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny), mba hijinjako vokatra kely aminareo, toy ny amin’ny Jentily sasany koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo ry rahalahy, fa matetika aho no nikasa hankaty aminareo mba hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin’ny Jentilisa sasany, saingy azon-tsampona aho hatramin’izao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

13 Tiako ho fantatrareo, ry havana, fa matetika aho no manam-pikasana hankatỳ aminareo, saingy azon-tsampona ihany hatramin’izao. Te hahazo voka-tsoa eto aminareo koa manko aho toy ny tany amin’ny firenena sasany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Tiako ho fantatrareo, ry havana, fa matetika aho no manam-pikasana hankatỳ aminareo, saingy azon-tsampona ihany hatramin’izao. Te hahazo voka-tsoa eto aminareo koa manko aho toy ny tany amin’ny firenena sasany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankatỳ aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin’ny jentilisa sasany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ary tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa matetika aho no efa nikasa hankatỳ aminareo (saingy azon-tsampona mandraka ankehitriny aho), hananako izay vokatra atỳ aminareo koa, toy ny any amin'ny jentilisa sasany.

Jereo ny toko dika mitovy




Romana 1:13
38 Rohy Ifampitohizana  

Amin’ny andro ho avy i Jakôba handatsa-paka, i Israely hamony sy hitsimoka, ary hofenoiny amin’ny vokany izao tontolo izao.


Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany,


Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo, ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.


Izay mijinja dia mandray karama, ary mamory vokatra ho an’ny fiainana mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.


Tamin’izany andro izany dia nitsangana teo afovoan’ireo mpino i Piera (tokony ho roapolo amby zato ny isan’izy nivory teo) ka nanao hoe:


Ary elaela ihany no niarahany nitoetra tamin’ny mpianatra tao Antiôkia.


Dia nangina ny olona rehetra, ka nihaino an’i Barnabe sy i Paoly nitantara ny famantarana amam-pahagagana betsaka nampanaovin’Andriamanitra azy tany amin’ny Jentily.


Taorian’izany, dia nomen’ny Fanahy Masina hevitra i Paoly hamaky an’i Masedônia sy i Akaia vao hankany Jerosalema, ka nanao anakampo hoe: «Rehefa tonga any aho, dia tsy maintsy mamangy any Rôma koa.»


Nony efa niarahaba azy ireo i Paoly, dia nolazainy tsirairay ny zavatra rehetra nampanaovin’Andriamanitra azy tamin’ny Jentily.


Tao no nahitanay havana iray finoana sasany, izay niangavy taminay mba hitoetra ao aminy hafitoana; raha efa izany dia nandroso ho any Rôma izahay.


izany hoe, mba hiarahantsika mifamporisika eo aminareo, amin’ny finoana iombonako izaho sy ianareo.


Fa mba tsy hanaovanareo ny tenanareo ho hendry, dia tsy tiako tsy ho fantatrao, ry hava-malala, izao zava-miafina izao: nilatsaka amin’ny hajambana ny sasany amin’i Israely, mandra-piditry ny hafenoan’ny Jentily.


Tsy fantatrareo va, ry hava-malala (miteny amin’ny mahalala ny Lalàna aho), fa raha mbola velona ny olona no fehezin’ny lalàna?


Mihanta aminareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika aho, ry kristianina havana, mba hiray teny daholo ianareo, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa ho tafakambana tsara amim-piraisan-tsaina sy hevitra avokoa ianareo.


Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry kristianina havana, fa tambanin’ny rahona ny razantsika rehetra; namaky ny ranomasina izy rehetra;


Ary ny amin’ny fanomezam-pahasoavana, ry kristianina havana, dia tsy tiako ny tsy hahalalanareo izany.


Ry kristianina havana, aoka tsy ho zaza amin’ny faharatsiana; mitsangàna ho lehilahy amin’ny fisainana e.


Hatao ahoana àry, ry kristianina havana? Raha miangona ianareo, ka samy manana ny azy: ny sasany, hira; ny sasany, fampianarana; ao ny manana fanambaràna, ao ny manana fiteny tsy fantatra, ary misy manana fandikàn-teny: dia aoka hatao fampandrosoana ny namana ny zavatra rehetra.


Na tsy Apôstôly aza aho ho an’ny sasany, dia Apôstôly ho anareo tokoa, satria ianareo no tombokase maha-Apôstôly ahy ao amin’ny Tompo.


Tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry kristianina havana, ny amin’ny fahoriana nanjò anay tany Azia, fa novesarana tsy eran’aina sy tafahoatra ny zakanay izahay, ka efa tsy nanampò izay ho velona intsony;


Fa hisaorana anie Andriamanitra Izay manome anay voninahi-pandresena mandrakariva ao amin’i Kristy Jesoa sy mitondra anay hanely ny hanitry ny fahalalana azy hatraiza hatraiza.


Ry kristianina havana, miteny araka ny fanaon’ny olona aho; na ny fanekena ataon’ny olona fotsiny aza, rehefa vita mafy, dia tsy azon’olona foanana na ovana.


Ho amin’ny fanahinareo anie, ry kristianina havana, ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika! Amen.


Raha mbola velona amin’ny nofo anefa aho, dia ho fahavokaran’ny asako izany, ka tsy hitako izay hofidiko,


Tsy mitady ny homena indray aho, fa ny vokatra miavosa soratana ho anareo no tadiaviko.


ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po Azy amin’ny zavatra rehetra; mba hahavokatra amin’ny asa soa rehetra ianareo, sady hitombo fahalalana an’Andriamanitra,


Ny Evanjely efa tonga atỳ aminareo, dia tonga amin’izao tontolo izao mihitsy, sady vokatra sy mitombo toy ny atỳ aminareo koa, hatramin’ny andro nandrenesanareo azy sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan’Andriamanitra ao anatin’ny marina,


ka indray maka na indroa aza dia efa nikasa ny hankatỳ aminareo mihitsy izahay, indrindra fa izaho Paoly, nefa nosakanan’i Satana.


Ary tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry, sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.


Fa efa miasa sahady ny hevi-miafim-paharatsiana izao, saingy ilay misakana no mbola ao mandra-pihàrany,


Kanefa tonga namonjy ahy ny Tompo, sy nankahery fo ahy, mba hanatontosako ny fitorian-teny, sy handrenesan’ny Jentily rehetra azy, sady nesorina teo am-bavan’ny liona aho.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra