Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 31:15 - Baiboly Katolika

15 Hoy izy tamin’ireo: «Navelanareo ho velona ve ny vehivavy rehetra e?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 ka hoy izy tamin’ireo: Nahoana no navelanareo ho velona ny vehivavy rehetra?

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

15 ka niteny taminy hoe: –Nahoana no navelanareo ho velona ny vehivavy rehetra?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 ka niteny taminy hoe: –Nahoana no navelanareo ho velona ny vehivavy rehetra?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra?

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 31:15
13 Rohy Ifampitohizana  

Ho voaozona anie izay mitsilamodamoka amin’ny asan’i Iaveh! Ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!


Na anti-dahy na zazalahy, na zazavavy, na zaza, na vehivavy: vonoy mandra-paharingany avokoa; fa izay misy ny Tao ao aminy kosa, aza hatoninareo. Ary eo amin’ny fitoerako masina, manomboka.» Dia nanomboka tamin’ny anti-dahy teo anoloan’ny trano izy ireo.


Ary tezitra i Môizy tamin’ny mpitari-tafika, dia ireo tomponarivo sy tompon-jato, avy any amin’ny ady.


Afatsîka tamin’izay ny tanànany rehetra, nataontsika anatema ny tanànany rehetra, ny lehilahy, ny vehivavy, ny zaza, tsy nasiantsika niangana izy na dia iray aza.


Ka rehefa hatolotr’i Iaveh Andriamanitrao eo an-tananao izy, dia vonoy amin’ny lelan-tsabatra ny lehilahy rehetra.


Fa ny vehivavy kosa, ny zaza, ny biby fiompy sy ny zavatra rehetra ao an-tanàna, izay mety ho babo, dia alaovy ho anao; ho azonao hanina ny babo rehetra avy tamin’ny fahavalonao, izay homen’i Iaveh Andriamanitrao anao.


Nasian’i Jôsoe avokoa ny tany manontolo, ny tendrombohitra, ny Negeba, ny tany lemaka sy ny tanety, mbamin’ny mpanjakany rehetra; tsy navelany hisy afa-nandositra, fa nataony anatema avokoa rehefa mety ho manana aina koa, araka izay nandidian’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.


Ary ny zavatra rehetra mety ho babo tamin’ireny, sy ny biby fiompiny dia norobain’ny zanak’i Israely ho azy; fa ny lehilahy rehetra kosa dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra mandra-paharingany, tsy nisy niangana rehefa manana aina.


Nony azo ny tanàna dia natolotra ho anatema tamin’ny lelan-tsabatra avokoa izay rehetra tao amin’ny tanàna, na lahy na vavy, na tanora na antitra, ary na dia hatramin’ny omby aman’ondry sy ny ampondra aza.


Ary nisy 12.000 no totalin’ny maty tamin’izany andro izany, na lahy na vavy, samy mponina tao Haia avokoa.


Koa ankehitriny, mandehana, asio i Amaleka, ka ataovy anatema avokoa izay azy rehetra; aza mamindra fo aminy fa ataovy maty avokoa, na lahy na vavy, na kely sy mbola minono, na omby na ondry, na rameva na ampondra».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra