Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nahoma 1:9 - Baiboly Katolika

9 Inona no hevitrao ny amin’i Iaveh? hotanterahiny ny fandravana: tsy hipoitra fanindroany ny fahoriana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Inona no heverinareo hoenti-manohitra NY TOMPO? Fandringanana no hataony, tsy hiverina fanindroany ny fahoriana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 Inona moa no iokoanareo hanohitra ny TOMPO? Fa handringana ny mpamoritra Izy, ka tsy hanindroa intsony ny fahoriana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Inona moa no iokoanareo hanohitra ny TOMPO? Fa handringana ny mpamoritra Izy, ka tsy hanindroa intsony ny fahoriana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Inona no heverinareo ho enti-manohitra an’ i Jehovah? Fahafonganana no hataony, Tsy hiverina fanindroany ny fahoriana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Inona no heverinareo ho enti-manohitra an'i Jehovah ? Fahafonganana no hataony, Tsy hiverina fanindroany ny fahoriana.

Jereo ny toko dika mitovy




Nahoma 1:9
17 Rohy Ifampitohizana  

Tsy nanahinahy ny sabatra teny an-tanan’i Jôaba i Amasà, kanjo nasiany tamin’ny kibony izy, ka nampivaroraka ny tsinainy tamin’ny tany; tsy nasiany fanindroany akory izy dia maty. Dia rafitra nanenjika an’i Sebà zanak’i Bokrì i Jôaba sy i Abisaia rahalahiny.


Hofongoranao eo amin’ny tany ny taranany, ary eo amin’ny zanak’olombelona ny tamingany.


Manakorontana ny fisainan’ny firenena I Iaveh, maha-tsinontsinona ny hevitry ny vahoaka Izy.


Tsy misy fahendrena na fahamalinana, na fisainana eo anatrehan’i Iaveh.


Koa ankehitriny atsaharo ny hanihaninareo, fandrao mihamafy ny fatoranareo; satria efa reko fa misy fandringanana voatendrin’ i Iavehn’ny tafika hahazo ny tany rehetra.


sy ataovy hoe: Toy izao no hilentehan’i Babilôna, sy tsy hifongarany intsony, avy amin’ny loza hahàtrako aminy, fa ho lavo lany hery izy. Hatreo ny tenin’i Jeremia.


Ary hoy Aho: Indrisy, ry Tompo Iaveh ô, hoy ny filazan’izy ireo ahy: Tsy manao fanoharana va Izy?


Izao no lazain’i Iaveh Tompo: Loza safatsiroa! Loza! Injay izy tamy!


Izaho nampianatra azy sy nankahery ny sandriny; Izy ireo kosa misaintsain-dratsy hanoherana Ahy.


Avy taminao no nivoahan’ilay misain-dratsy hanoherana an’i Iaveh, izay mamoron-kevitra mahameloka.


Ravanay ny fisainan’olombelona mbamin’ny zavatra avo rehetra, izay mitsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra; ary baboinay hanaiky an’i Kristy ny hevitra rehetra.


Dia hoy i Abisaï tamin’i Davida: «Voahidin’i Iaveh eo an-tananao ity ny fahavalonao anio, ka ankehitriny mba avelao kely re hasiako amin’ny lefona izy dia hataoko miboroaka amin’ny tany amin’ny indray mamely monja, fa tsy hiverenako fanindroany».


Hotanterahiko amin’i Helì amin’izany andro izany izay rehetra voalazako ny amin’ny tranony; hanomboka Aho ary hanapitra koa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra