Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nahoma 1:12 - Baiboly Katolika

12 Izao no lazain’i Iaveh: Na dia tsy latsaka isa sady maro aza izy ireo, dia hojinjaina ary tsy hisy intsony. Efa nanetry anao Aho, ka tsy hanetry anao intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Izao no lazain’NY TOMPO: Na dia tsy latsaka isa fa mbola maro aza ireny dia hofongorana ihany izy ka tsy hisy intsony. Efa nampahory anao Aho ka tsy hampahory anao intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

12 Hoy ny TOMPO amin’ny vahoakan’i Joda: «Na dia maro sy matanjaka aza ny fahavalonareo, dia hanjavona tsy ho hitanareo intsony. Efa nampahory anareo Aho ka tsy hampahory intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Hoy ny TOMPO amin’ny vahoakan’i Joda: «Na dia maro sy matanjaka aza ny fahavalonareo, dia hanjavona tsy ho hitanareo intsony. Efa nampahory anareo Aho ka tsy hampahory intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Izao no lazain’i Jehovah: Na dia tsy latsaka isa ka mbola maro aza ireny, Dia hofongorana ihany izy ka ho levona Fa efa nampahory anao Aho, Ka tsy hampahory anao intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Izao no lazain'i Jehovah: Na dia tsy latsaka isa ka mbola maro aza ireny, Dia hofongorana ihany izy ka ho levona Fa efa nampahory anao Aho, Ka tsy hampahory anao intsony.

Jereo ny toko dika mitovy




Nahoma 1:12
20 Rohy Ifampitohizana  

Ny alin’izay ihany, dia nivoaka ilay Anjelin’Andriamanitra namono lehilahy 185.000 tao amin’ny tobin’ny Asirianina, ka nony nifoha ny olona ny ampitso maraina, indreo fa faty avokoa ireo.


Ary raha ilay niankohoka teo an-tranon’i Nesraoka andriamaniny iny izy, dia novonoin’i Adramelaka sy i Sarasara zanany lahy tamin’ny sabatra, ka nandositra nankany amin’ny tany Ararata ireo. Dia i Asaradòna zanany no nanjaka nandimby azy.


Handalo mamaky ny tany Ejipta Aho amin’io alina io, ka ny lahy matoa rehetra amin’ny tany Ejipta hovonoiko, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby, ary misy fitsarana hoefaiko momba ny andriamanitr’i Ejipta rehetra: fa Izaho no Iaveh.


Noho izany, ny Tompo, Iavehn’ny tafika, haniraka faharerahana hamely ny mpiadiny matanjaka; ary eo ambanin’ny voninahiny, hisy afo mirehitra, toy ny afo amin’ny hain-trano.


Amin’ny andro hariva dia indro ny fahareraham-po; alohan’ny maraina dia tsy ao intsony ireny! Izany no anjaran’ireo mandroba antsika, izany no hanjò an’ireo mamabo antsika.


Fa ianao, ry vahoaka monina ao Siôna, ao Jerosalema, tsy hitomany intsony ianao, fa raha vao mitaraina ianao dia hamindrany fo; raha vao mandre anao Izy dia hamaly anao.


Ary i Asora ho lavon-tsabatra, nefa tsy sabatr’olombelona; sabatra izay tsy sabatr’olombelona no handevona azy; handositra eo anoloan’ny sabatra izy, ary ny zatovony hampandoavina hetra.


Dia nivoaka ny Anjelin’i Iaveh, ka namely olona 185.000 teo an-tobin’ny Asirianina, ary nony vao nifoha ny olona tamin’ny maraina dia indreo maty avokoa ireo.


Izao no lazain’i Iaveh Tomponao sy Andriamanitrao izay miaro ny vahoakany: Indro efa noesoriko teny an-tananao, ny kapoaka mahajenjina, ny kapoakan’ny fahatezerako; tsy hisotro izany intsony ianao, izao sisa izao.


Amin’izany andro izany ny Tompo hanaratra, amin’ny hareza nahofany tany an-dafin’ny ony, - dia amin’ny mpanjakan’i Asiria, - ny loha sy ny volon-tongotra ary hoesoriny koa ny volombava.


ho tafatsofoka amin’i Jodà izy, ho tondraka sy hanafotra, hisondrotra mandra-pahatongavany havozona, ary ny fivelaran’ny elany handrakotra ny tampon’ny taninao rehetra, ry Emanoela ô!»


Dia namaly i Iaveh ka nanao tamin’ny vahoakany hoe: «Indro ianareo efa nandefasako vary, sy divay vaovao aman-diloilo, dia ho vokin’izany ianareo; ary tsy hataoko fandatsa any amin’ny firenena intsony ianareo.


Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo, ary tsy hampaninona azy na hainandro na zava-mandoro hafa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra