Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Mpitoriteny 5:16 - Baiboly Katolika

16 Fanampin’izany, nandritra ny andro rehetra niainany, nihina-maizina izy sady be alahelo amam-pijaliana sy fahasosorana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Sady laniny ao amin’ny maizina ny androny rehetra ary feno fahasosorana sy mararirary anaty izy sady manao fo lentika.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

16 Ankoatra izany, maloka ny fiainany manontolo noho ny alahelo be sy ny fahasorenana ary ny fijaliana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Ankoatra izany, maloka ny fiainany manontolo noho ny alahelo be sy ny fahasorenana ary ny fijaliana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary koa, homa-maizina amin’ny androny rehetra izy sady manana alahelo be sy fahoriana ary fahasosorana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary koa, homa-maizina amin'ny androny rehetra izy sady manana alahelo be sy fahoriana ary fahasosorana.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitoriteny 5:16
13 Rohy Ifampitohizana  

Izay manakorontana ny tranony, handova rivotra, ary izay adala, ho tonga mpanompon’ny olon-kendry.


Inona no soa azon’ny olona, amin’ny fisasarana rehetra ikezahany atỳ ambany masoandro?


Nony inona, nodinihiko izay asa rehetra nataon’ny tanako, mbamin’ny fahasasarako nolaniko nanatanterahana izany; ka indro zava-poana amam-panenjehan-drivotra foana izany; fa tsy misy zava-tsoa azo, atỳ ambany masoandro.


Inona no soa an’izay miasa, amin’ny hasasarana iaretany?


Fa sendra misy zava-mihatra ka levona izany harena izany; ary raha mitera-dahy ralehilahy, dia tsy manana na inona na inona eo an-tanany.


Fa efa bevohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, dia tsy niteraka afa-tsy rivotra. Tsy nanome ny famonjena ho an’ny tany izahay, ka tsy nisy mponina teraka ho an’izao tontolo izao.


Ny mpisorona tsy nanao hoe: ‹Aiza i Iaveh?› ny mpitan-dalàna, tsy nahalala Ahy: ny mpitondra, nivadika tamiko; ary ny mpaminany, naminany tamin’ny anaran’i Baala, ka nanaraka ny tsy mahasoa na inona na inona izy ireny.


Namafy rivotra izy ireo, ka hijinja tafio-drivotra. Tsy hisy salohim-bary ho azy, fa hisy vary tsy vanon-ko lafarina; ary raha vanon-ko lafarina aza, ny hafa firenena no hihinana azy.


Inona no soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy, nefa very ny fanahiny?


Miasà ianareo, tsy mba hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay, dia izay homen’ny Zanak’olona anareo; fa Izy no nasian’Andriamanitra Ray tombokase»


ka aoka ianareo hanaiky amim-panajana ny olona mendrika toy ireny, sy izay rehetra miara-miasa sy misasatra amin’ny asa toy izany.


Aza mivily sao mankany amin’ny zava-poana izay tsy hahazoan-tsoa na fahafahana akory, satria zava-poana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra