Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 15:31 - Baiboly Katolika

31 Hany ka gaga dia gaga ireo vahoaka rehetra ireo nony nahita ny moana niteny, ny mandringa afa-mandeha, ny jamba nahiratra, ka nankalaza ny Andriamanitr’i Israely izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka mandeha ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an’Andriamanitry ny Israely izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

31 Gaga ny vahoaka raha nahita ny moana niteny, ny kilemaina nanjary tomady, ny mandringa nandeha tsara sy ny jamba nahiratra, ka dia nanome voninahitra an’ilay Andriamanitr’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Gaga ny vahoaka raha nahita ny moana niteny, ny kilemaina nanjary tomady, ny mandringa nandeha tsara sy ny jamba nahiratra, ka dia nanome voninahitra an’ilay Andriamanitr’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an’Andriamanitry ny Isiraely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an'Andriamanitry ny Isiraely izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 15:31
23 Rohy Ifampitohizana  

ka hoy izy: «Tsy hatao hoe Jakôba intsony ny anaranao; fa hatao hoe Israely; satria efa niady tamin’Andriamanitra sy tamin’olombelona ianao ka nahery.»


Ary nanangana ôtely teo izy, ka nomeny anarana hoe: El-Elohe-Israely.


Antsoy amin’ny andron’ny fahoriana Aho, dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra Ahy ianao.


Izay manatitra ny fisaorana ho sorona no manome voninahitra Ahy; ary izay mandamina ny lalany no hanehoako ny famonjen’Andriamanitra.»


ary nahita ny Andriamanitr’i Israely izy ireo: teo ambanin’ny tongony dia nisy toa zavatra voavoatra natao tamin’ny safira mamirapiratra, zavatra mangarangarana toy ny lanitra.


Maro ny vahoaka nanatona Azy teo, nitondra ny moana, ny jamba, ny mandringa, ny kilemaina mbamin’ny marary hafa betsaka, sy nametraka azy teo an-tongotr’i Jesoa dia nositraniny.


Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario lavitra anao, fa aleo tapa-tanana na tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manana tanana roa na tongotra roa, very any amin’ny afo mandrakizay.


Ary nisy jamba sy mandringa nanatona Azy teo amin’ny Tempoly ka nositraniny izy ireo.


Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka hoy izy tamin’izay nanaraka Azy: «Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany aho tamin’i Israely.


Nony lasa ireo, dia indro nentin’ny olona teo amin’i Jesoa indray ity lehilahy anankiray sady moana no azon’ny demony.


Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe: «Tsy mbola nisy toy izany tamin’i Israely.»


Nony nahita izany ny vahoaka, dia natahotra sy nankalaza an’Andriamanitra noho Izy nanome ny olona fahefana toy izany.


Dia nitsangana niaraka tamin’izay izy ka nibata ny fandriany, ary lasa nody teo imason’ny olona rehetra; hany ka talanjona izy rehetra sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: «Tsy mbola nahita tahaka izany izahay.»


sady talanjona loatra izy ireo ka nanao hoe: «Tsara avokoa ny zavatra rehetra nataony, fa nampalady ny marenina Izy ary nampiteny ny moana.»


izay misy olitra tsy mety maty sy afo tsy maty mandrakizay.


Fa raha manao fanasana ianao, ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba, no asao:


Dia nody ilay ankizilahy ka nilaza izany tamin’ny tompony. Tezitra tamin’izay ny tompony ka nanao tamin’ny ankizy lahiny hoe: ‹Mandehana faingana mankany amin’ny kianja sy ny lalam-ben’ny tanàna, ka ento mankaty ny mahantra sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.›


Niaraka tamin’izay, dia nahiratra izy ka nanaraka azy sy nankalaza an’Andriamanitra. Ary ny vahoaka rehetra nahita izany koa nidera an’Andriamanitra.


Raiki-tahotra avokoa izay rehetra teo, sady nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: «Mpaminany lehibe no efa niseho eto amintsika, ary Andriamanitra efa namangy ny olony.»


Dia nantsoin’ireo indray ilay lehilahy jamba taloha, ka nilazany hoe: «Andriamanitra no omeo voninahitra; fa raha iny Lehilahy iny, dia fantatray fa mpanota.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra