Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 25:5 - Baiboly Katolika

5 Aza mijinja izay maniry, avy amin’ny voa nihintsana tamin’ny fijinjana lasa, na hioty ny salohim-boaloboka avy amin’ny voaloboka tsy norantsanana: taona fitsaharana ho an’ny tany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Aza mijinja izay naniry ho azy avy tamin’ny voa nihintsana tamin’ny fararano ary aza mioty ny voaloboka avy tamin’izay tsy nandrantsananao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an’ny tany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 tsy hojinjanareo akory aza izay vokatry ny voa nihintsana tamin’ny fararano lasa, ary tsy hotoazanareo akory ny sampaho vokatry ny voaloboka tsy norantsananareo, fa aoka ho taona fialàn-tsasatra ho an’ny tany volena izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 tsy hojinjanareo akory aza izay vokatry ny voa nihintsana tamin’ny fararano lasa, ary tsy hotoazanareo akory ny sampaho vokatry ny voaloboka tsy norantsananareo, fa aoka ho taona fialàn-tsasatra ho an’ny tany volena izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ny voa nihintsana tamin’ny fararano lasa, ary aza mioty ny voaloboka avy tamin’izay tsy namboarinao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an’ny tany izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin'ny voa nihintsana tamin'ny fararano lasa, ary aza mioty ny voaloboka avy tamin'izay tsy namboarinao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an'ny tany izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 25:5
5 Rohy Ifampitohizana  

Ary izao kosa no famantarana ho anao: Vokatra avy amin’ny voa mihintsana no hohanin’ny olona amin’ity taona ity; izay maniry ho azy no hohaniny amin’ny taona faharoan’ity, fa amin’ny taona fahatelo kosa hamafy ianareo dia hijinja, hamboly voaloboka dia hihinana ny vokatra avy aminy.


Ary izao no ho famantarana ho anao: Amin’ity taona ity, ny vokatra avy amin’ny vary raraka an-tany no hohanina; amin’ny taona faharoa ny maniry ho azy no hohanina; fa amin’ny taona fahatelo kosa hamafy sy hijinja ianareo; hamboly tanimboaloboka sy hihinana ny vokany ianareo.


Jobily ho anareo ny taona fahadimampolo: tsy hamafy ianareo, tsy hijinja izay maniry ho azy amin’ny tany; ary tsy hioty ny voaloboka tsy norantsanana,


Fa ny taona fahafito kosa dia ho sabata fitsaharana lehibe ho an’ny tany, sabata fankalazana an’i Iaveh, ka tsy hamafy amin’ny taninao ianao na handrantsana ny voalobokao.


Izay ho vokatry ny tany mandritra ny sabatany dia hatao fivelomana ho anao, mbamin’ny ankizy lahinao, ny ankizy vavinao, ny mpikaramanao, ny vahiny miara-monina aminao;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra