Levitikosy 23:27 - Baiboly Katolika27 «Ny andro fahafolon’io volana fahafito io no andron’ny fanonerana; hanao fivoriana masina ianareo, hampijaly tena, ary hanatitra sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201127 Ny andro fahafolo amin’izany volana fahafito izany no Andro Fanavotana Lehibe. Hisy fivoriana masina ho anareo; hifady hanina ianareo ka hanatitra fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA27 «Ny andro fahafolon’ny volana fahafito kosa dia andro fankalazana ny Famelàn-keloka; hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo amin’izany, ary hifady hanina ianareo sady hanatitra sorona levonina amin’ny afo ho Ahy TOMPO. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara27 «Ny andro fahafolon’ny volana fahafito kosa dia andro fankalazana ny Famelàn-keloka; hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo amin’izany, ary hifady hanina ianareo sady hanatitra sorona levonina amin’ny afo ho Ahy TOMPO. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy27 Ary amin’ny andro fahafolo amin’izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo hianareo ka hanatitra fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah. Jereo ny tokoMalagasy Bible27 Ary amin'ny andro fahafolo amin'izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masina ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah. Jereo ny toko |