Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 14:40 - Baiboly Katolika

40 ny vato voan’ny fery hasainy esorina hariana any ivelan’ny tanàna, amin’ny toerana maloto;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

40 dia hasain’ny mpisorona hesorina ireo vato izay misy ny aretina ka hariana amin’izay toerana maloto any ivelan’ny tanàna.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

40 dia hasainy hesorina ireo vato misy izany, ka hariana amin’izay toerana maloto fanariana azy any ivelan’ny tanàna;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

40 dia hasainy hesorina ireo vato misy izany, ka hariana amin’izay toerana maloto fanariana azy any ivelan’ny tanàna;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

40 dia hasain’ny mpisorona hesorina ny vato izay misy azy ka hariana amin’izay fitoerana maloto eny ivelan’ny tanàna;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

40 dia hasain'ny mpisorona hesorina ny vato izay misy azy ka hariana amin'izay fitoerana maloto eo ivelan'ny tanàna;

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 14:40
19 Rohy Ifampitohizana  

Hofongorako, ny mpifosa mandrovitra ny namany mangingina. Ny olona misolanandrana sy bontsinin’ny hambom-po, tsy ho tohako.


Roahy ny mpamazivazy, dia ho tapaka ny fifandirana, hitsahatra ny ady amam-panalam-baraka.


Amin’ny andro fahafito hiverina ao indray ny mpisorona. Raha hitany fa nanitatra eo amin’ny rindrin-trano ny fery:


ny ati-trano manontolo hasainy kikisana, hariana any ivelan’ny tanàna amin’ny toerana maloto ny vovoka rehetra voakiky;


Ny lahy rehetra amin’ny zanak’i Aarôna no hihinana an’izany. Lalàna tsy tapaka hatrany amin’ny taranakareo izany, ny amin’ny fanatitra atao amin’ny afo, ho an’i Iaveh. Ho masina izay rehetra mikasika izany.


Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy; ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny Jentily sy ny poblikanina.


Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa.


An’Andriamanitra ny mitsara ny any ivelany. Roahy tsy ho ao aminareo intsony ilay mpanao ratsy.


Ny olona tia fisarahan-kevitra koa ialao rehefa nanarinao tsy zaka, indray maka na indroa,


Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina ary ny fandeferanao, mbamin’ny tsy fahazakanao ny ratsy fanahy; fantatro fa nozahanao toetra ireo manao azy ho apôstôly nefa tsy izy, ka hitanao fa mpandainga ireny;


Manan-teny kely aminao anefa Aho, satria i Jezabela ilay vehivavy manao azy ho mpaminany, avelanao hampianatra sy hanangoly ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natolotra tamin’ny sampy.


Misy anananao sitraka ihany anefa, dia izao: mankahala ny asan’ny Nikôlaita izay halako koa ianao.


Fa any ivelany kosa ny alika sy ny mpimasy, ny mpijangajanga, ny mpamono olona, ny mpanompo sampy, mbamin’izay rehetra tia lainga sy mpandainga.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra