Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 14:19 - Baiboly Katolika

19 Raha efa izany hatolotry ny mpisorona ny sorona noho ny ota, sy hataony ny fanonerana ho an’ilay midio ho afaka amin’ny lotony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ny mpisorona dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota ka hanao fanavotana ho an’ilay hodiovina hahafahany amin’ny fahalotoany; ary rehefa afaka izany dia hamono ny fanatitra dorana manontolo izy;

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

19 Izay ny mpisorona vao hanolotra ny sorona fanalana ny ota sy hanao indray ny fombam-pivavahana fandiovana ho an’ilay diovina ho afaka amin’ny fahalotoany. Aorian’izany, dia hamono ny zanakondrilahy hatao sorona dorana manontolo ny mpisorona

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Izay ny mpisorona vao hanolotra ny sorona fanalana ny ota sy hanao indray ny fombam-pivavahana fandiovana ho an’ilay diovina ho afaka amin’ny fahalotoany. Aorian’izany, dia hamono ny zanakondrilahy hatao sorona dorana manontolo ny mpisorona

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota ka hanao fanavotana ho an’ilay hodiovina hahafahany amin’ny fahalotoany; ary rehefa afaka izany, dia hamono ny fanatitra dorana izy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota ka hanao fanavotana ho an'ilay hodiovina hahafahany amin'ny fahalotoany; ary rehefa afaka izany, dia hamono ny fanatitra dorana izy;

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 14:19
8 Rohy Ifampitohizana  

Halain’ny mpisorona ny iray amin’ireo zanak’ondry, ka hatolony ho sorona fanonerana, mbamin’ny diloilo iray loga koa, ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’i Iaveh.


Hangalan’ny mpisorona ny ran’ny sorona fanonerana, dia hanentenany an’ilay midio amin’ny tendron’ny ravin-tsofiny havanana, sy ny ankiben-tanany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana.


Ary ny mpisorona hanatitra azy ireo, ny iray hatao sorona noho ny ota, ny iray hatao sorona dorana. Ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy, eo anatrehan’i Iaveh noho ny fitsihany.


Raha misy olona manota noho izy efa nandre ny didin’ny mpitsara, amin’ny maha vavolombelona azy, nefa tsy milaza izay hitany na izay fantany, dia hivesaran’ny helony izy.


ary hitondra ho an’i Iaveh ho fanonerana noho ny ota nataony, ny vavy iray amin’ny biby fiompy madinika, na ondry na osy, hatao sorona noho ny fahotany, ary ny mpisorona hanao ny fanonerana ho azy noho ny otany.


Satria izay tsy vitan’ny Lalàna noho izy tsy nanan-kery azon’ny nofo, dia vitan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany tao amin’ny endriky ny nofom-pahotana sy noho ny fahotana, ka nanameloka ny fahotana tao amin’ny nofony,


Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra