Levitikosy 13:51 - Baiboly Katolika51 Amin’ny andro fahafito hozahany ny fery, ka raha nanitatra ny fery amin’ny hoditra, na amin’ny zavatra natao tamin’ny hoditra, na inona na inona izany, dia habokana ratsy izany ka maloto io zavatra io. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201151 Hozahany indray ny aretina amin’ny andro fahafito, koa raha niitatra teo amin’ny fitafiana ny aretina, na teo amin’ny tenony na ny fahany na teo amin’izay zavatra vita tamin’ny hoditra, dia toy ny habokana izany ka maloto. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA51 Amin’ny andro fahafito dia hozahany indray ny holatra, ka raha nitaran’izany ilay fitafiana na lamba na akanjobà na hoditra na fitaovana vita hoditra, dia bobongolo tsy azo esorina izany ka maloto ilay zavatra voany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara51 Amin’ny andro fahafito dia hozahany indray ny holatra, ka raha nitaran’izany ilay fitafiana na lamba na akanjobà na hoditra na fitaovana vita hoditra, dia bobongolo tsy azo esorina izany ka maloto ilay zavatra voany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy51 Ary raha zahany ny aretina amin’ny andro fahafito, ka nanitatra teo amin’ny fitafiana ny aretina, na teo amin’izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin’izay zavatra natao tamin’ny hoditra, dia habokana mafy izany, ka dia maloto. Jereo ny tokoMalagasy Bible51 Ary raha zahany ny aretina amin'ny andro fahafito, ka nanitatra teo amin'ny fitafiana ny aretina, na teo amin'izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin'ny zavatra natao tamin'ny hoditra, dia habokana mafy izany, ka dia maloto. Jereo ny toko |