Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 13:31 - Baiboly Katolika

31 Raha hitan’ny mpisorona anefa fa tsy latsaka ambany noho ny hoditra no fijery ny fery kimavo, ary tsy misy volo mainty eo, dia hatokan’ny mpisorona hafitoana, izay voan’ny fery kimavo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

31 Fa raha zahan’ny mpisorona ny aretina ka tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana mandritra ny hafitoana ilay olona be hatina.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

31 Raha voazahan’ny mpisorona ilay marary ka hitany fa tsy mandoaka hoditra ny fery nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana izy mandritra ny fito andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

31 Raha voazahan’ny mpisorona ilay marary ka hitany fa tsy mandoaka hoditra ny fery nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana izy mandritra ny fito andro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

31 Fa raha zahan’ny mpisorona ny kongonina, ka tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana hafitoana ilay olona kongonina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

31 Fa raha zahan'ny mpisorona ny kongonina, ka tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana hafitoana ilay olona kongonina.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 13:31
3 Rohy Ifampitohizana  

Raha hita fa latsaka ambany noho ny hoditra no fijery azy, sady misy volo madinidinika tomamotamo eo, dia holazain’ny mpisorona hoe maloto izany olona izany, satria kimavo izany, habokàn-doha na habokàn-tsaoka.


Ary hozahan’ny mpisorona ny fery amin’ny andro fahafito. Raha tsy nanitatra ny kimavo sady tsy misy volon-koditra tomamotamo ary tsy latsaka noho ny hoditra no fijery azy,


Fa raha misy hodi-potsy ao amin’ny hoditry ny nofony, nefa tsy latsaka lalina noho ny hoditry ny nofony no fijery azy, sady tsy nanjary fotsy ny volon-koditra, dia hanokan-toerana ilay mararin’ny fery, hafitoana, ny mpisorona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra